Sindo

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Renirano Indus)

I Sindo na Indosy na Indo (izay fantatra amin' ny anarana hoe Sindh na Sindhu tamin' ny Andro Taloha, dia renirano any Pakistàna nanome ny anarany an' i India. Ny loharanony dia any amin' ny tendrombohitra Himalaya ary mizotra makany atsimo-andrefana izy. Anisan' ny renirano inoana ho masina any India i Sindo, miaraka amin' ny Gange. Ao amin' ny Ranomasin' i Ômàna izy no mivarina.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ny renirano Indus
Ny renirano Indus

Ny loharanon' i Indosy dia any Tibeta, ao amin' ny tangorombohitra Kailās na Gangri. Manomboka mitondra ny anarany i Indosy eo amin' ny sakeli-dranon' ny renirano Sengge sy ny renirano Gar midina amin' i Himalaya. Mandalo any avaratra-andrefana i Indosy, ary miampita an' i Kashmira any atsimon' ny tangorombohitr' i Karakoram, ary midina any atsimo izy, miala amin' ny vohitra Peshawar sy Rawalpindi izy. Eo amin' io faitra io, misy tohadrano mampisy ny tahirin-dranon' i Tarbela. Azon' ny sambo andehanana ilay renirano eo amin' ny vinanin' ny renirano Kaboul.

Manaraka ny tany lemak' i Penjab sy ny an' i Sind i Indosy, ary mandeha moramora kokoa izy. Miampita ny tanànan' i Hyderābād izy ary mivarina ao amin' ny Ranomasin' i Ômàna, mamorona vavarano mivelatra 7 700 km2 eo am-pivarinana, any atsimo andrefan' i Karāchi no misy ilay varavaro. Ankehitriny dia anisan' ny faritra ekôlôjika manan-danja indrindra eto an-tany i Sindo.