Hankany amin'ny vontoatiny

Ravitoto

Avy amin'i Wikipedia

Sakafo nentim-paharazana malagasy ny ravitoto[1]. Izay azo avy amin'ny ravina mangahazo notontoina tamin'ny laona, na tamin'ny milina fanaovana toton-kena. Andrahoina miaraka amin'ny tongolo gasy ny ravitoto ary ampiarahana amin'ny henankisoa[2] na henomby na totom-boanjo. Samy azo hohanina miaraka amin'ny vary avokoa ireo rehetra ireo.

Ravitoto masaka, miaraka amin'ny vary maina

Ireo karazana fomba fahandro ny ravitoto

Samy manana ny fahaiza-mahandro ravitoto ny faritra tsirairay, araka ny singa misy ao aminy avy. Karazana fahandro izay manome lanja ny haify malagasy.

Hatreto, mbola ny henan-kisoa sy ravitoto aloha no nahandro malaza sy be mpanao. Na izany aza, tsy vitsy ihany koa ny fomba fahandro hafa mety tsy mahazatra loatra saingy matsiro ihany koa. Isan'izany ohatra ny ravitoto sy hen'omby, ny akoho amin'ny voanio, miaraka amin'ny trondro na ihany koa miaraka amin'ny makamba, indrindra ho an'ireo tia hazandranomasina.

Ahafahana manamboatra ireo sakafo ireo ihany koa ny ravitoto amby fotsy, ho an'ireo izay monina ivelan'i Madagasikara[3]. Na izany aza, hafa ihany koa ny manamboatra ao an-trano.

Misy amin'ny firenena hafa, toa an'i Comores no mahandro ny ravi-mangahazo amin'ny ronono vita amin'ny voanio, izay antsoina hoe mataba[4]. Ampiarahana amin'ny trondro maina na makamba kely, antsoina hoe tsivakigny.

Mandrafitra ny sakafo nentim-paharazana amina faritra maro any Afrika ny ravitoto. Any Afrika Andrefana izao, hako bantara no anarana ahalalana azy.

Loharano :

[hanova | hanova ny fango]
  1. https://mg.globalvoices.org/2024/01/16/167816/
  2. https://mg.globalvoices.org/2014/03/16/58541/
  3. https://mg.globalvoices.org/2023/12/14/167374/
  4. https://fr.wikipedia.org/wiki/Mataba