Ravin-tsimoka

Ny ravin-tsimoka na kôtiledôna dia ravin-javamaniry voalohany izay hita ao anatin' ny voa. Izy io dia ampahany manan-danja amin' ny tsimoky ao anatin' ny voan-javamanirjy. Toetra ampiasain' ny bôtanista hanasokajiana ny zavamaniry mamony (na Angiospermae) ny isan' ny ravin-tsimoka.

Antsoina hoe tokan-dravin-tsimoka (na mônôkôtiledôna) ny karazan-javamaniry manana ravin-tsimoka tokana, anisan' izany ny zavamaniry ao amin' ny antrendry, ny katsaka, ny tongolo ary ny sakamalao.

Antsoina hoe roa ravin-tsimoka (na dikôtiledôna) ny zavamaniry misy ravin-tsimoka roa, anisan' izany ny kinana, ny vomanga, ny kabaro ary ny voanjo. Misy koa ny zavamaniry maro ravin-tsimoka (na pôlikôtiledôna) ka ny tena manana maro indrindra dia ny Psittacanthus schiedeanus, ary ny zavamaniry tsy misy ravin-tsimoka (na akôtiledôna) izay ahitana ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Orchidaceae sy ao amin' ny vondron-karazana Cuscuta.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Tokan-dravin-tsimoka
- Roa ravin-tsimoka
- Tsy manana ravin-tsimoka
- Angiospermae (zavamaniry mamony)
- Gymnospermae