Ratitae
Fiseho

Ny Ratitae na Ratites dia vondrona pôlifiletikan' ny vorona ao amin' ny zafin-kilasy Palaeognathae manana taolan' ivon-tratra tsy misy trako. Noho izany, tsy mety manidina izy ireo. Ny ankamaroany dia lehibe, lava tenda ary lava tongotra, ankoatra ny kioy izay hany ratita mpivoaka amin' ny alina.

Ao amin' ny fanasokajiana klasika sy ny fanasokajian' i Sibley-Ahlquist, ity vondrona ity dia nantsoina hoe Struthioniformes. Ao amin' ny fanasokajiana taksônômika amin' izao fotoana izao, ny vondron' ny ratita dia mifanaraka amin' ireto filaharana manaraka ireto:
- ny Struthioniformes, amin' ny heviny tery, ahitana karazana aotirisy afrikana maromaro (nisy karazana iray tany Siria);
- ny Aepyornithiformes teto Madagasikara (ny vorompatra, karazana efa lany tamingana);
- ny Rheiformes, anisan' izany ny nando any amin' ny tapany atsimon' i Amerika Atsimo;
- ny Casuariiformes, anisan' izany ny kasoara any Ginea Vaovao sy any Aostralia, ary ny emosy any Aostralia;
- ny Apterygiformes, anisan' izany ny kioy any Zelandy Vaovao;
- ny Dinornithiformes, anisan' izany ny môa any amin' ny nosy any atsimon' i Zelandy Vaovao (karazana efa lany tamingana).