Hankany amin'ny vontoatiny

Randriamiadanarivo

Avy amin'i Wikipedia
Randriamiadanarivo
Ankapobeny
AnaranaRandriamiadanarivo
Teraka12 janoary 1916
ToeranaAmbodihady,Ambohimanarina Antananarivo
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Mpitandrina
Asa hafampanoratra -mpampianatra
Fiainana manokana
Seha-pitiavanaRazanandrasoa

Raki-piainany

[hanova | hanova ny fango]

RANDRIAMIADANARIVO dia teraka ny 12 janoary 1916 tao Ambohidahy, Ambohimanarina, Antananarivo [1].Zanak'Itompokolahy Razafimahatratra, mpampianatra sy Itompokovavy Razafimiarandray. Nanambady an-dRamatoa RAZANADRASOA, niteraka roa amby folo mianadahy.[2]

Ny sekoly nianarany

[hanova | hanova ny fango]

Maro ireo toeram-pianarana nolalovany toy ny [3]:

-1922-1923 : Nanomboka nianatra tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Ambohimiadana Andramasina.

-1924-1925 : Nifindra tao amin’ny Sekolim-piangonana LMS tao Ambodihady Ambohimanarina.

-1926-1930 : Nanohy ny fianarany tao amin’ny Sekolim-panjakana tao Anosisoa-Ambohimanarina.

-1931-1934 : Tao amin’ny Sekolin’ny LMS Ambatonakanga.

-1935-1936 : Tao amin’ny Sekoly Normaly niraisan’ny Misiona Protestanta tao Ambavahadimitafo.

-1937-1939 : Nanohy fianarana tao amin’ny Sekoly Paul Minault tao Ambohijatovo

Nanomboka niasa izy amin'ny maha mpitandrina sy mpampianatra azy[4]:

-1939 : Nanomboka nampianatra tany Isoavina. Ecole de Station LMS. 1941- 1942 : Naverina nampianatra tany Isoavina indray.

-1942- 1946 : Niditra tao amin’ny Kolejy Teolojika LMS Ambohipotsy. 1946-1950 : Mpitandrina tao Ambohitsimeloka-Ambohidratrimo.

-1950-1970 : Mpitandrina tany Isoavina-Carion.

-1971-1972 : Prezida Sinodaly tany Fianarantsoa. 1973- 1974 : Tonian’ny Isan’Enimbolan’Imerina.

-1974- 1980 : Tonian’ny Mpiandraikitra Fitondram-piangonana Foibe fjkm.

-1980-1981 : Nisotro ronono.

Asa sorany

[hanova | hanova ny fango]
Boky sikajin ' i Dadabe

Mpanoratra lahatsoratra sy famakafana no ahafantarana azy. Ny fanabeazana sy ny riba tsara ho fantantry ny taranaka Malagasy no fotokevitra niompanan'ny asasorany. Maro karazana ny asa soratra efa nataony, anisan'izany ireto: Sekolin'ny Ntaolo, Sikajin'i Dadabe, Isa ny Amontana, Voromby, Sodifafana..Mbola maro ireo asa soratra tsy tafavoaka , ka anisan’izany ny  tantara momba an-dRadama II izay nosoratany ny taona 2004-2005 . Nomena ny mariboninahitra  « Commandeur  de l’Ordre National »izy .[5]

tsy dia fatatry ny olona loatra amin ' ny ny maha- mpamoronkira sy maha- mpanoratra tantara tsangana  ary naha- mpanao tononkalo azy . Nankalazana an’ Andriamanitra ny Alahady 15 Janoary  2006 ny faha- 90 Taonany tao amin’ny  FJKM Ambodihady vaovao  . Ny Teny faneva tamin’izany dia  nalaina tao amin’ny Salamo  91.15a-16 manao hoe : «  Satria Izaho no niraketan’ny  fitiavany dia hamonjy azy Aho …Hovokisako ..."

[6]

  1. https://www.fjkm.mg/synodamparitany/vaovao-farany/randriamiadanarivompit/
  2. https://malagasyword.org/bins/teny2/randriamiadanarivo?utm_source=chatgpt.com
  3. https://malagasyword.org/bins/teny2/randriamiadanarivo?utm_source=chatgpt.com
  4. ps://malagasyword.org/bins/teny2/randriamiadanarivo?utm_source=chatgpt.com
  5. https://www.fjkm.mg/synodamparitany/vaovao-farany/randriamiadanarivompit/
  6. https://www.fjkm.mg/synodamparitany/vaovao-farany/randriamiadanarivompit/