Randia pseudozosterops

Ny Randia pseudozosterops dia karazam-boron-kely ao amin' ny fianakaviana Bernieridae. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara izy io, izay voafetra amin' ny ala trôpikaly amin' ny ilany atsinanan' ny Nosy. Volondavenona ny ambony ary hatsatra tsy misy marika ny ambany. Matanjaka ny vavany ary somary mifaingoka kely, ny vorona sasany manana vavany ambany miloko volom-boasary smary mavo.
Ny fonenany voajanahary dia ala sobtrôpikaly na trôpikaly mando any amin' ny tany lemaka, izay matetika hatramin' ny haambo 1 200 m. Matetika izy io no mifandray amin' ny andiam-borona ahitana karazana samihafa, izay matetika mihinana amin' ny rantsana marindrano na mitongilana. Izy io koa dia misikotsioka mandritra ny fotoana maharitra eny amin' ny tampon-kazo. Na dia tsy heverina ho atahorana aza ny hahalany tamingana azy, dia heverina fa mihena ny isan' ny vorona ao amin' ity karazana ity noho ny fandripahana ala miely manerana ny faritra misy azy.