Aller au contenu

Ramontsy

Avy amin'i Wikipedia
Ramontsy na lamoty (Flacourtia indica)

Ny ramontsy na lamoty dia zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Salicaceae, hita any amin' ny ampahany be amin' i Afrika sy ny faritra manana toetany mafana sy toetany antonony any Azia. Maro isan-karazany ny fampiasana azy io, anisan' izany ny fampiasana azy amin' ny fitsaboana nentim-paharazana, ny fahazoana fandrehitra, ny sakafom-biby ary sakafon' olombelona. Marihina fa mety hanondroana karazana zavamaniry hafa ny teny hoe lamoty. Ny anarany ara-tsiansa dia Flacourtia indica na Flacourtia ramontchi.

Famariparitana

[hanova | hanova ny fango]
Vonin' ny ramontsy na lamoty

Izy io dia hazo na hazobotry izay, manana rantsana misy tsilo. Raha amin' ny endrika hazobotry na kirihitra izy dia mahatratra 7,6 m, ary raha amin' ny endrika hazo kosa dia mahatratra 15 m ny avo indrindra. Misy ravina miendrika atody ny rantsany izay mitsotsorika. Ny vihiny dia aparitaky ny vorona. Ity zavamaniry ity dia misy tsilo mitovy amin' ny an' ny voasarimakirana. Izay tratran' ny tsilony dia maheno fanaintainana mahatsiravina.

Fanakilasiana

[hanova | hanova ny fango]
Ravina sy tsilo amin' ny lamoty

I Nicolaas Laurens Burman no namariparitra azy voalohany sy namoaka boky momba azy io tamin' ny anarana hoe Gmelina indica tamin' ny taona 1768, dia navoak' i Elmer Drew Merrill indray amin' ny anarana hoe Flacourtia indica tao amin' ny taona 1917.

Ny Flacourtia indica sy ny Flacourtia ramontchi (izay maniry eto Madagasikara) dia raisina ho karazana samihafa, anisan' ny manao izany ny Plants of the World Online, fa tsy toy izany kosa ny an' ny Germplasm Resources Information Network (GRIN) (Departemantan' ny Fambolena sy ny Fikarohana momba ny Fambolena any Etazonia).

Faritra aniriany

[hanova | hanova ny fango]

Teratany any amin' ny firenena sy faritra maro ity zavamaniry ity: Afrika Atsimo (faritanin' i Cape sy faritanin' i Kwazulu-Natal ary Northern Provinces), Bangladesy, Borondy, Bôtsoana, Etiôpia, Filipina, India (Assam, Vondro-nosy Laccadive), Indônezia (Sulawesi, Java, Kepulauan Sunda Kecil), Kambôdia, Kenià, Kenià, Kômôro, Laôsy, Madagasikara, Malaoy, Mianmara, Môzambika, Namibia, Nepaly, Oganda, Pakistana, Repoblika Demôkratikan’ i Kôngô, Repobliokan’ i Kôngô, Roanda, Seisely (Aldabra), Sina (Hainan, atsimo-atsinanana), Sodana, Sômalia, Srilanka, Tailandy, Tanzania, Vietnamy, Zambia ary Zimbaboe.

Ity zavamaniry ity dia nampidirina koa tany amin' ny toerana samihafa toa an' i Angôla, Bahamasy, Hawaii, Jamaika, La Réunion, Leeward Islands (vondro-nosy any Antilia), Maorisy, Nicobar (vondro-nosy any India), Pôrtô Rikô, Repoblika Dôminikana, Iles de la Societé (any Polynésie française), Trinite sy Tôbagô ary Tsady.

Fampiasana azy

[hanova | hanova ny fango]
Ny voan' ny ramontsy

Ny voan' ny ramontsy dia manana hatevina manodidina ny 1 sm ary volomparasy manopy mena ny lokony. Tena be nofony izy io ary misy vihy 6 hatramin' ny 10 ao anatiny. Ny nofony dia mavo na fotsy ary mamy, manana tsiro makirana raha mbola tsy matoy. Hanina tsy ahandroina na atao feta na kônfitira. Azo amboarina mba hanaovana divay na toaka koa ny voany.

Ny raviny sy ny fakany dia ampiasaina hatao fanafody nentim-paharazana hitsaboana ny kaikitry ny bibilava. Ny hodiny dia heverina fa mahomby amin' ny vanin-taolana. Ny ampahany maro amin' ity zavamaniry ity dia ampiasaina hitsaboana ny kohaka, ny pnemônia, ary hiasiana amin' ny bakteria mamparay tenda. Ampiasaina tamin' ny aretim-pivalanana koa izy io.

Any India, dia ampiasaina ho fanafody nentim-paharazana izy io mba hitsaboana aretina toy ny aretin' ny vanin-taolana (rheumatoid arthritis) sy ny gaotra. Ny voany dia azo hanina, ary ny hodiny dia azo totoina amin' ny menaka sesamo ary avy eo ampiasaina ho fitsaboana ny rohana (rhumatism). Toy izany koa, ny zavatra alaina avy amin' ny voany dia manana toetra mampamany matetika, miaro ny aty ary miady amin' ny diabeta. Satria misy gliokôsida (atao hoe flakorsida") sy flakortinina (estera: asidra sy alkôla). Ahitana singa azo iadiana amin' ny tazomoka ny taovany ambony amin' ny ramontsy. Ny hazo dia ambolena hanaovana fefy velona; iray amin' ny karazan-javamaniry nampiasaina hanaovana fefy amin' ny fadintseranana anatiny tany India. Ny tahony dia ampiasaina ho kitay sy hanamboarana fitaovana kely toy ny zaran' angady.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]