Aller au contenu

Rakotra (fambolena)

Avy amin'i Wikipedia
Potika hodi-kazo atao rakotra

Ny rakotra dia sosona akora ôrganika na tsia ampetraka eo ambonin' ny tany. Ny antony ampiasana ny rakotra dia ny mba hitazomana ny hamandoan' ny tany, hanatsarana ny fahavokarana sy ny fahasalaman' ny nofon-tany, hampihenana ny fitomboan' ny ahi-dratsy, ary hahatonga ny endriky ny faritra hanintona bebe kokoa.

Ny rakotra dia matetika, fa tsy voatery ho izany ihany, ho avy amin' ny zavamananaina. Mety ho maharitra (ohatra, lafika plastika) na vonjimaika (ohatra, hodi-kazo). Azo ampiharina amin' ny tany miboridana tsy misy zavamaniry na manodidina ny zavamaniry efa misy ny rakotra. Miditra hoazy ao anaty tany, noho ny asan' ny kankana sy ny zavamananaina hafa, ny rakotra vita amin' ny zezi-pahitra sy ny zezipako. Ampiasaina amin' ny famokarana vokatra ara-barotra sy amin' ny zaridaina ity dingana ity, ary rehefa ampiharina tsara, dia afaka manatsara ny fahavokaran' ny tany. Ahitana ny volombato sy ny hafa koa ny rakotra velona.