Hankany amin'ny vontoatiny

Raki-pahalalana

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Rakipahalalana)
Naturalis Historia, raki-pahalalana voalohany (fanontana ny taona 1669 io natolotra io)

Ny raki-pahalalana dia firaketana ny fampahalalana mikasika ny fahaizan' ny olombelona, izay mety ho boky na zavatra hafa.[1] Ny raki-pahalalana ankehitriny dia na vita taratasy (toy ny Rakibolana Rakipahalalana) na eo amin' ny Aterineto (toy ny Wikipedia) izay mirakitra lahatsoratra maro amin' ny taranja iray ho an' ny raki-pahalalana manokana, na amin' ny taranja rehetra ho an' ny raki-pahalanana tsotra.

Roa arivo taona izay no nisian' ny raki-pahalalana voalohany; ny raki-pahalalana voalohany, Tantara Voajanahary ("Histoire Naturelle" amin' ny teny frantsay), dia nosoratan' i Pliniosy Be Taona tamin' ny taona 77 tany ho any. Ny raki-pahalalana araka ny ahalalantsika azy amin' izao fotoana izao, dia nipoitra tamin' ny taonjato faha-17. Tafiditra anaty boky iray ny raki-pahalalana, kanefa ny raki-pahalalana sasany, toa ny Encyclopaedia Britannica amin' ny fiteny anglisy, na ny Enciclopedia universal ilustrada europeo-americana amin' ny fiteny espaniôla, dia raki-pahalalana misy "volume" amam-polony (32 ho an' ilay voalohany, 70 ho an' ilay faharoa). Ankehitriny, misy raki-pahalalana elektrônika (an-tranonkala na amin' ny CD), toy ny Wikipedia (manana sampanana amin' ny fiteny mihoatra ny 250), na ny Citizendium.

Fanoratana

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny teny malagasy dia maro ny fomba fanoratana ny teny hoe raki-pahalalana: azo soratana hoe rakipahalalana (tsy misy tsipi-panohizana) na raki-pahalalàna (misy tsipi-panohizana sy tendron-tsoratra). Ekena fa misy avokoa ny fanoratana antenatenan' ny tranga voalaza teo aloha (izay misy tsipi-panohizana na/sy tendron-tsoratra).

Pliniosy Zokiny

[hanova | hanova ny fango]

Ny asa fanaovana raki-pahalalana voalohany izay fantatra amin' izao fotoana izao, dia ny Naturalis Historia izay nosoratan' i Pliniosy Zokiny, olom-pirenena rômana niaina tamin' ny taonjato volalohany tal. J.K. Nanatambatra asa soratra misy toko fito amin' ny telopolo mikasika ny tantara natoraly, ny zavakanto, ny maritrano, ny haitsabo, ny jeôgrafia, ny jeôlôjia ary ny fiendriky ny tontolo manodidina azy izy. Ao amin' ny sasintenin' ny bokiny izy dia nanatambatra fisehoan-javatra roa alina (20 000), avy amin' ny asa soratry ny mpanoratra hafa miisa maherin' ny roanjato, mbola nampiany fisehon-javatra hafa araka ny traikefany. Nivoaka tamin' ny taona 77 na 79 tal. J.K. teo ilay asa soratra, na dia tsy tapitra ny namarana ny asa fanaporofoana alohan' ny fahafatesany izy noho izy maty tamin' ny fipoahan' ny afotroa Vesovio tamin' ny taona 79 tal. J.K.

Arabo sy Persana

[hanova | hanova ny fango]

Ny firaketam-pahaizana mozilmana voalohany tamin' ny Andro Antenatenany dia ahitana asa mampahazo, ary fanitarana ny antsoina ankehitriny hoe fomba siantifika sy fomba ara-tantara, ary fitanisana. Teo amin' ny 960 teo ho eo, ny Mpiralahy Fo Madio[2], fikambanana filôzôfy miafina any Bassora[3], dia lasa nanoratra ny raki-pahalalan' ny Mpiralahy fo Madio. Anisan' ny asa malaza ny raki-pahalalana momba ny siansa nosoratan' i Abi Bakr Al-Razi, ny Al-Kindi an' i Motazil, ary ny firaketana momba ny haitsabo nosoratan' i Ibn Sina, izy nifotorana nandritra ny taonjato maro.

Isidôro avy any Sevilla

[hanova | hanova ny fango]
Etymologiæ, raki-pahalalana nosoratan'i Isidoro de Sevila tamin'ny taonjato fahafito

I Isidôro avy any Sevilla (560-636), eveka niaina tamin' ny taonjato fahafito tao Hispalis (Sevilla) no mpanoratra ny raki-pahalalana voalohany tamin' ny Andro Antenatenany. Ny raki-pahalalana nosoratany tamin' ny taona 630, izay mitondra ny anarana ahoe Etymologiæ, dia fitambaram-boky roapolo, izay ahitana fanadihadiana momba ny fiforonan' ny teny anaty toko 448. Io boky io dia tiany hitahirizina sy hampitana ny fahaizana tamin' ny Andro Antenatenany sy ny kolontsaina klasika izay andalam-pahaverezana. Nalaza be ilay bokiny ary naverina natonta impolo io bokiny io teo anelanelan' ny taona 1470 sy 1530, izay mari-palazany hatramin' ny Andron' ny Fanavaozana (frantsay: Renaissance). Somary mahafanina ihany ny fomba famaritany ny fiforonan-teny: hazavainy amin' ny alalan' ny teny mifanakaiky ara-peo aminy ny teny iray (Rex a recte agento, "(ny) mpanjaka dia avy amin' ny mahitsy fanao"). Ny tanjon' ireo etimôlôjia (izay nihomezan' ny manam-pahaizana tamin' ny Renaissance) ireo hono dia mikendry ny fanamorana ny fahazona ny famaritana ao an-tsain' ny mpamaky. Nandray anjara tamin' ny faharetan' ny asa soratry ny Andro Antenatenany ny fanaovana tonon-tsiahy azy.

Tany Sina

[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka tamin' ny Boky Lehibe Efatry ny Song (宋四大書; pinyin: Sòng sì dà shū) izay natambatra tamin' ny taonjato faha-11 ny tantaran' ny raki-pahalalana tany Sina. Ilay raki-pahalalan' ny Song, dia asasoratra lehibe taminn' izany fotoana izany. Ny raki-pahalalana tafarany, ny Sokatra Voalohan' ny Birao Fanangonana, dia ahitana sinôgrama miisda 9,4 tapitrisa anaty boky miisa arivo. Maro ny raki-pahalalana nandritra ny tantaran' i Sina, miaraka amin' ny raki-pahalalan' i Shen Kuo (1031-1095) amin' ny Mengxipitan nosoratana tamin' ny taona 1088. Misy koa ny raki-pahalalana nosoratan' ny mpamorona sady agrônôma Wang Zhen (niasa nandritra ny taona 1290 hatramin' ny taona 1333) izay nanoratra ny boky Nong Shu tamin' ny taona 1313; sy ny Tiangong Kaiwu nosoratan' i Song Yingxing (1587-1666), izay nomen' i Joseph Needham solon' anarana hoe "Diderot an' i Sina".[4]

Ny emperora sinoa Yongle ao amin' ny dinastia Ming, dia nahafehy ny tontan' ny Raki-pahalalan' i Yongle, anisan' ny raki-pahalalana lehibe indrindra teo amin' ny tantaran' i Sina, izay tapitra tamin' ny taona 1408; anitana sinôgrama miisa 370 tapitrisa anaty boky miisa arivo sy iray alina nosoratin-tanana; ny efajato amin' ireo boky ireo sisa no eo am-pelantanana amin' izao fotoana izao.

Taonjato faha-17

[hanova | hanova ny fango]

Taonjato faha-19

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny gazety anglisy iray nivoaka tamin' ny taona 1809, dia azo antsoina hoe "Taonjaton' ny Raki-pahalalana" ny taonjato faha-19. Te hanana raki-pahalalana amin' ny fiteniny daholo ny firenena maro, ary tsy resaka firehareham-pirenena fotsiny izy io fa tombontsoa ho an' ny firenena ihany, satria ny fampielezana ny fahalalana amin' ny vahoaka dia ilaina amin' ny fivoarana ara-toekarena sy ara-pahaizana eo amin' ny firenena iray. Izany hetsika fampielezana izany koa dia niroborobo noho ny fihabetsahan' ny olona mahay mamaky teny sy ny fivoaran' ny fanontana pirinty izay nampidina ny vidin' ny boky sady nampidi-bola[5] ho an' ny mpanonta pirinty.

Tany Alemaina, ny raki-pahalalana nalaza indrindra dia ny Brockhaus Enzyklopädie izay natonta tamin' ny taona 1808, ary, noho ny fahombiazany, dia naverina natonta hatramin' ny taona 2005. Ny Allgemeine Enzyklopädie der Wissenschaften und Künste nosoratan' i Ersch sy Gruber izay tsy vita hatramin' ny farany (boky miisa 167 izay nivoaka teo anelanelan' ny taona 1818 sy 1879).

Navoakan' i Wei Song tamin' ny taona 1834 ny Yishi Jishi (壹是紀始) izay voazara ho toko miisa 22 manana lohahevitra 2 000; naverina natonta tamin' ny taona 1888 sy 1891 ilay raki-pahalalana.

Taonjato faha-20 sy faha-21

[hanova | hanova ny fango]

Nanomboka nivoaka tamin' ny taona 1920 ny raki-pahalalana ho an' ny daholobe sady mora vidy. Tao Etazonia, nahitana ny fipoiran' ny raki-pahalalana ho an' ny daholobe ny taona 1950-1960. Ny malaza indrindra amin' izy ireo dia ny World Book sy ny Funk and Wagnalls.

Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 no nipoiran' ny raki-pahalalana amin' ny CD-ROM izay azo vakiana amin' ny alalan' ny solosaina: ny Encarta an' i Microsoft nalefa tamin' ny taona 1993, dia ohatra iray amin' ny raki-pahalalana tsy misy boky voapirinty sahala aminy sady tsy natonta an-taratasy. Noho ny fahombiazan' ny raki-pahalalana hafa eo amin' ny tsenan' ny raki-pahalalana tsy voatonta an-taratasy dia najanon' ny Microsoft ny raki-pahalalana Encarta tamin' ny taona 2009.

Mampiasa olona mpanoratra lahatsoratra ny raki-pahalalana tsotra, izany hoe olona nianatra sy manam-pahaizana, mananana zon' ny mpamorona izay mamehy ny fiparitahany sy ny asa mety mifototra aminy.

Avy amina asa nataon' ny nialoha azy ny ao amin' ny raki-pahalalana tamin' ny taonjato faha-19, ka noho izany maro ny raki-pahalalana izay ahitana tsy fanajana ny zon' ny mpamorona.

Tamin' ny taona 2007, ny fanontana tamin' ny taona 1911 ny Encyclopaedia Britannica, raki-pahalalana voatonta an-taratasy, izay tsy mihatra amin' ny votoatiny intsony, dia anisan' ny raki-pahalalana malalaka voatonta taratasy manana votoatiny malalaka amin' ny teny anglisy.

Raki-pahalalana malalaka

[hanova | hanova ny fango]
Ny Wikipedia no raki-pahalalana voalohany manana votoatiny foronin' ny mpampiasa azy

Nivoaka tamin' ny Interpedia natao teo amin' ny Usenet tamin' ny taona 1993 ny raki-pahalalana dijitaly malalaka voalohany, izay azo alaina ary sintomina (anglisy: download) eo amin' ny vohikala Usenet. Mahazo mandefa votoatiny avokoa ny olona tsirairay tsy an-kanavaka. Tetikasa hafa sahala amin' izany ny Everything2 sy ny Open Site. Tamin' ny taona 1999 dia nikasa hamoaka ny GNUPedia, raki-pahalalana azo vangiana eo amin' ny Tranonkala, i Richard Stallman.

Tsy nisy raki-pahalalana naharitra sy matanjaka teo amin' ny Aterineto talohan' ny Nupedia sy ny Wikipedia. Lasa raki-pahalalana lehibe indrindra eran' izao tontolo izao ny Wikipedia tamin' ny taona 2004, tamin' ny lahatsoratra fahatelo hetsin' ilay tetikasa.[6]. Tamin' ny faran' ny taona 2005, roa tapitrisa no isan' ny lahatsoratra voaforona sy voasoratra ao amin' ny Wikipedia, amin' ny fiteny maherin' ny valopolo. Tamin' ny taona 2009, folo tapitrisa ny lahatsoratra tao amin' ny Wikipedia; telo tapitrisa amin' ny fiteny anglisy, fito tapitrisa tamin' ny fiteny miisa 250 hafa. Nanomboka tamin' ny taona 2003 dia nipoitra ny raki-pahalalana malalaka toy ny Baidu Baike sy ny Hudong amin' ny fiteny sinoa, na ny raki-pahalalana Citizendiym sy ny Knol amin' ny fiteny anglisy.

Raki-pahalalana amin' ny fiteny malagasy

[hanova | hanova ny fango]

Ny raki-pahalanana lehibe indrindra amin' ny fiteny malagasy dia ny Wikipedia amin' ny teny malagasy, izay manana lahatsoratra maherin' ny valo alina tamin' ny taona 2018 fa maherin' ny sivy alina tamin' ny taona 2024, ny faharoa, dia ny Rakibolana Rakipahalalana natontan' ny Akademia Malagasy. Tratra ny isa 100 000 tamin' ny taona 2025.

Ny raki-pahalalana ankehitriny dia rakibolana manana famaritan-teny nitarina sahala amin' ny raki-pahalalana nipoitra tamin' ny taonjato faha-18.

Raki-pahalalana an-tranonkala

[hanova | hanova ny fango]

Ny raki-pahalanana an-tranonkala malaza indrindra dia ny Wikipedia, tranonkala fahafito be mpamangy indrindra izay manana sampanana amin' ny fiteny maherin' ny 250. Ny mahasamihafa ny Wikipedia amin' ny raki-pahalalana hafa dia izy manana votoatiny azo ovaovaina 'an-kalalahana.

Ankoatra ny Wikipedia, ny raki-pahalalana an-tranonkala dia ny Encarta, raki-pahalanana andoavam-bola izay nikatona tamin' ny taona 2009 noho ny fahombiazan' ny Wikipedia.[7]

  1. Encyclopedia
  2. Ikhwan al-Safa
  3. P.D. Wightman (1953), The Growth of Scientific Ideas
  4. Needham, Volume 5, Toko 7, 102.
  5. ((en)) Richard Yeo, Encyclopaedic Visions, Cambridge (U.K.), Cambridge University Press, 2001
  6. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2007-09-27. Retrieved 2011-11-30.
  7. http://www.lefigaro.fr/societes/2009/04/01/04015-20090401ARTFIG00360-microsoft-referme-son-encyclopedie-en-ligne-.php