Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy
Ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy, araka io anarany io, dia sady rakibolana no rakipahalalana lehibe an-tserasera, natokana sy mikendry ny hitanisa sy hamaritra ary hirakitra ny teny sy ny ohabolana ary ny fahalalana ara-kolontsaina malagasy. Ny mpiara-miasa ao amin' ny tranonkala tenymalagasy.org (na motmalgache.org na Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy) dia tsy mamorona lahatsoratra fototra vaovao, fa manangona sy mandamina ary manitatra votoatiny efa misy, indrindra avy amin' ny asa soratra fanovozan-kevitra efa nisy teo alohany.
Ny mpiara-miasa ao amin' ilay tetikasa
[hanova | hanova ny fango]I Jean-Marie de La Beaujardière, izay avy ao amin' ny University of Western Ontario, no talen' ilay tetikasa[1][2]. Ireto kosa ny mpikambana manatanteraka ny tetikasa: ny Dr. Ileana Paul (avy ao amin' ny University of Western Ontario, mpanolotsaina amin' ny lafiny haiteny)[2][3], i Hanitriniaina Razanarisoa (mpanolotsaina amin' ny lafiny haiteny, mpikaroka momba ny teny, ao amin' ny Foibe momba ny Teny, mpikambana ao amin' ny Akademia Malagasy)[2][4], ny Pr. Baholisoa Simone Ralalaoherivony (mpanolotsaina amin' ny lafiny haiteny, profesora ao amin' ny Oniversiten' Antananarivo)[2][5], i Cedric de La Beaujardière (injeniera lôzisialy)[2][6], ary ny Dr. Liliane Koziol (mpanolotsaina amin' ny lafiny haiteny, talem-pandaharanasa, International House, University of California at Berkeley)[2][7].
Ny zavatra raketiny
[hanova | hanova ny fango]Ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy dia ahitana teny iditra malagasy miisa 109 000, teny iditra frantsay miisa 34 000, teny iditra anglisy 15 000, ohabolana miisa 8 000, anarana sy eva siantifika miisa 8 000, anaran-tany miisa 1 000, sy ny maro hafa[8].
Indreto misy ohatra maneho ny zavatra hita ao. Eo ambanin' ny teny iditra "fandrotrarana", dia ahitana famaritana amin' ny teny malagasy sy amin' ny teny anglisy ary amin' ny teny frantsay, antsipiriany araka ny bôtanika (Cynodon dactylon), ary fampiasana nentim-paharazana an' ilay zavamaniry eo amin' ny fombafomba[9]. Ny teny iditra hoe "fiadanana" dia hazavaina miaraka amin' ny heviny ara-kolontsaina sy ara-tantara (ohatra ny nanjakan' Andrianampoinimerina), miaraka amin' ny dikany amin' ny teny anglisy sy teny frantsay[10]. Ny teny iditra hoe "poezia" dia mampiseho famaritana amin' ny teny malagasy sy ny fiovaovan' ny tsipelina ("poezy"), miaraka amin' ny oha-pampiasana[11]. Ny litera tsirairay amin' ny abidy malagasy, toy ny e, dia manana pejy manokana misy fanononana sy ny anjara toerany ao amin' ny fitsipi-pitenenana[12]. Ny teny iditra hoe "Malagasy" dia manome hevitra momba ny fiteny (fianakaviam-piteny aostrôneziana) sy momba ny mponin' i Madagasikara[13]
Toetran' ny tranonkala TenyMalagasy
[hanova | hanova ny fango]Malalaka ny fidirana ao amin' ilay tranonkala izay novolavolain' i J-M. de La Beaujardière manodidina ny taona 2001–2024, izay ahitana fizaràna azo sokafana momba ny voambolana, ny fomba fiteny, ny ohabolana, ny fitsipi-pitenenana, ny fitanisana boky, teny isam-paritra, anaran-toerana, anarana siantifika, sns. Azo atao ny mandray anjara amin' ny fanitsiana ny famaritana, ny tsipelina, ny fanampiana ohatra amin' ny alalan' ny bokotra "Ahitsio".
Fototra voaforon' ny asa soratra efa nisy teo aloha
[hanova | hanova ny fango]Araka ny pejy loharano ôfisialy, ilay vohikala dia manangona ny votoatin' ny asa soratra sy rakibolana malagasy maherin' ny 60, ao anatin' izany[14]:
- Rakibolana Rakipahalalana Malagasy (Akademia Malagasy, 2005);
- Rakibolana malagasy nosoratan' i Régis Rajemisa-Raolison (1985);
- Rakibolana manokana (momba ny bôtanika, ny fitsaboana, ny anaran-tany, ny etnôlôjia, sns.);
- Rakibolana amin' ny fiteny roa (malagasy–frantsay, malagasy–anglisy, malagasy–alemana, sns.).
Ny andraikitry ny mpiara-miasa ao amin' ny tranonkala
[hanova | hanova ny fango]Mitana andraikitra maro ny mpiara-miasa ao amin' ny ilay tranokala, ka anisan' izany ireto;
- fanaovana nomerika sy fandrafetana votoatiny: fitrandrahana sy fanavaozana ary fanisiana tondro ny lahatsoratra mba hanamora ny fikarohana, ary koa famondronana ny famaritana araka ny teny fototra;
- fampifandraisana ny loharano: ny teny iditra iray dia azo ampiarahina amin' ny famaritana avy amin' ny asa soratra maro samihafa izay aseho miaraka amin' ny loharanony. Izany dia ahafahan' ny mpitsidika manao fampitahana;
- fampidirana soso-kevitra avy amin' ny mpitsidika izay afaka manolotra fanitsiana na fanampim-panazavana (amin' ny alalan' ny bokotra "Ahitsio"), nefa mandalo fandinihan' ny mpiara-miasa ao amin' ilay tranonkala ireo fandraisana anjara ireo. Amin' ny toe-javatra sasany dia ny fanamarihana mitondra fanazavana na fanovozan-kevitra ara-kolontsaina no atovan' ny administratera na ny mpahay teny.
Famoronana votoaty tena vaovao
[hanova | hanova ny fango]Misy ihany ny fanampim-panazavana kely ataon' ny mpirantana ny tranonkala (ohatra: fanazavana momba ny teny manodidina, ny fanononana, ny fandikan-teny fanampiny). Mifototra amin' ny loharano voatondro anefa ny votoatiny fototra. Noho izany dia tsy famoronana malalaka mitovy karazana amin' ny hita ao amin' ny Wikipedia izy io, fa fanangonana voambolana sy fahalalana efa voarakitra rahateo ao amin' ny rakibolana sy rakipahalalana efa nisy talohany.
Lanjany sy fiantraikany
[hanova | hanova ny fango]Loharano sarobidy ho fitahirizana sy fampitana ny teny sy ny kolontsaina malagasy ny Rakibolana sy Rakipahalalana malagasy, ho an' ny teratany sy ny mpikaroka. Deraina noho ny firaketany ohabolana sy fomba fiteny maro ity rakibolana sy rakipahalalana ity. Betsaka kokoa noho ny hita ao amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy ny teny voarakitra ao aminy saingy mitaky asa an-tsitrapo lehibe mba hampanan-karena azy.
Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ "Mpiara-miasa", tenymalagasy.org
- 1 2 3 4 5 6 "Mpikambana manatanteraka ny tetikasa", tenymalagasy.org
- ↑ "Mpiara-miasa - Dr. Ileana Paul", tenymalagasy.org
- ↑ "Mpiara-miasa - Hanitriniaina Razanarisoa", tenymalagasy.org
- ↑ "Mpiara-miasa - Pr. Baholisoa Simone Ralalaoherivony", tenymalagasy.org
- ↑ "Mpiara-miasa - Cedric de La Beaujardière", tenymalagasy.org
- ↑ "Mpiara-miasa - Dr. Liliane Koziol", tenymalagasy.org
- ↑ "Firaketana aman-drakibolana malagasy", tenymalagasy.org. Notsidihina tamin' ny 07 Jolay 2025.
- ↑ "Fandrotrarana", tenymalagasy.org
- ↑ "Fiadanana", tenymalagasy.org
- ↑ "Poezia", tenymalagasy.org
- ↑ "E", motmalgache.org
- ↑ "Malagasy", tenymalagasy.org
- ↑ "Bibliôgrafia", www.tenymalagasy.org