Raharaha Volamena nivadika Vy
Ny raharaha Volamena nivadika Vy dia fanjavonana volamena sy vatosoa milanja 36 kg teo ho eo tao amin' ny Minisiteran' ny Harena an-Kibon' ny Tany teto Madagasikara tamin' ny taona 2022, izay fantatra nandritra ny fanisana natao tao amin' io minisitera io, ka nisy nanolo metaly tsotra. Nanao famotorana ara-pitsarana ny Ministera, izay nahavoarohirohy tompon' andraiki-panjakana maromaro, anisan' izany ny tale jeneraly teo aloha. Niafara amin' ny fanamelohana ilay raharaha, saingy tsy tafaverina avokoa ny volamena sy vatosoa nanjavona, ka nanasongadina ny lesoka eo amin' ny fiarovana sy ny fitantanana ny harem-pirenena stratejika izany.
Fizotry ny raharaha
[hanova | hanova ny fango]Zava-misy manodidina
[hanova | hanova ny fango]Notahirizin' ny Minisiteran' ny Harena an-Kibon' ny Tany teny amin' ny toerana misy ny foibeny (eny Ampandrianomby, Antananarivo) ny kôfran' ny fitaleavana jeneralin' ny harena an-kibon' ny tany[1][2][3]. Nisy entana nogiazan' ny Fanjakana tamin' ny alalan' ny fanaraha-maso ny tao anatin' izany (volamena, vatosoa)[4][5]. Nisy tale jeneraly vaovao notendrena tamin' ny 13 Avrily 2022 ka nanatanteraka fifamindram-pahefana teo amin' ny tale jeneraly ny tao amin' ilay minisitera [4][3].
Famindram-pahefana
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny 1 Jona 2022, nandritra ny famindram-pahefana ôfisialy (fanovana tale jeneraly) sy teo anatrehan' ny vadintany (huissier de justice) iray, dia nisy ny fanisana sy ny fanamarinana ny zavatra tao anatin' ny kôfra[1][4][6]. Nandritra ity fanisana ity dia nisy zavatra tsy ara-dalàna voamarika: raha tokony ho volamena sy vatosoa milanja 36,433 kg no andrasana, dia nisy zavatra vita amin' ny metaly (vy na varahina) nilanja 24,550 kg teo ho eo tao amin' ilay vata[1][3]. Tsy nisy vaky anefa io vata fitehirizana io[2][3]. Manodidina ny 7 lavitrisa Ariary ny tombam-bidin' ny volamena very, araka ny loharanom-baovao samihafa[1].
Fanambaràna ôfisialy
[hanova | hanova ny fango]Roapolo andro mahery taty aoriana dia nohamafisin' ny minisitra Olivier Herindrainy Rakotomalala tamin' ny mpanao gazety tamin' ny 24 Jona 2022 fa nanjavona tao amin' ny kôfran' ny minisitera ny volamena sy vatosoa milanja 36,433 kg[4][3][6]. Nanazava izy fa nisy nanolo zavatra vita amin' ny metaly maivan-danja kokoa ny volamena, izay tombanana ho eo anelanelan' ny 20 sy 24 kg eo ho eo, araka ny loharanom-baovao[4][6]. Nambarany koa ny nanolorana ny raharaha eo am-pelan-tanan' ny fitsarana[4][3].
Fanadihadiana sy fitsarana
[hanova | hanova ny fango]Nosokafana ny fanadihadiana ara-pitsarana ary tale jeneraly maro sy tompon' andraikitra maro teo aloha ao amin' ilay minisitera no anisan' ny voarohirohy[1][7]. Tamin' ny volana Mey 2023 dia notanterahina ny fitsarana: olona roa no voaheloka, anisan' izany ny tale jeneraly iray teo aloha[7]. Mbola misy zava-miafina anefa: tsy fantatra ny toerana misy ny volamena 36 kg[7].
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- 1 2 3 4 5 "Ampandrianomby : « Les lingots d’or ont été remplacés par des objets métalliques » selon le ministère des mines", www.africa-press.net
- 1 2 "Madagascar: 36kg d’or et pierres volés aux coffres du ministère des Mines", www.ivoirematin.com
- 1 2 3 4 5 6 "Mines : où sont passés les 36 kilos d’or et pierres précieuses disparus du ministère à Madagascar ? Archived Desambra 12, 2025 at the Wayback Machine", www.latribune.fr
- 1 2 3 4 5 6 "Vol de lingots - L’or a été remplacé par d’objets métalliques", lexpress.mg
- ↑ "Madagascar: 36kg d’or et pierres volés aux coffres du ministère des Mines", lejournal.africa
- 1 2 3 "Madagascar : disparition de 36 kilos d'or et de pierres précieuses au ministère des Mines", (XinhuaNet) french.news.cn
- 1 2 3 "Procès 36kg d’or: deux personnes condamnées dont un ex-DG des Mines", newsmada.com