Raharaha Volamena 49 kilao
Ny raharaha Volamena 49 kilao dia famoahana volamena antsokosoko nilanja 49 kg avy aty Madagasikara ka tratra tao Kômôro tao amin' ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Prince Said Ibrahim ao Moroni tamin' ny 28 Desambra 2021. Olona telo no nosamborin' ny zandarimariam-pirenena kômôrianina – nahitana teratany malagasy roa[1] – niaraka tamin' ny anjam-bolamena miisa 28, milanja 49 kg eo ho eo, tao anaty entany[2][3][4][5]. Saika hiakatra amin' ny fiaramanidina manokana hihazo an' i Dubai ireto voarohirohy ireto[6][7][8]. Nanambara ny mpampanoa lalàna kômôrianina fa tsy vao sambany ity raharaha ity: eo ho eo amin' ny folo ny fandefasana entana an-tsokosoko avy aty Madagasikara mankany Kômôro toy izany teo anelanelan' ny volana Septambra sy Desambra 2021[9]. Olona maromaro no nosamborin' ny tompon' andraikim-panjakana kômôriana, nisy tamin' izy ireo ny Kômôriana, dia ny talen' ny seranam-piaramanidina tamin' izany fotoana izany sy ny mpiasan' ny fadintseranana iray, sy teratany malagasy roa[4][10]. Tamin' ny volana Janoary 2022 no nampodina teto Madagasikara ireo teratany malagasy roa ireo, mba hanefa ny saziny.
Nandritra ny taona maro dia nijanona tao amin' ny Banque centrale des Comores (BCC) ireo volamena ireo. Nitaky ny hamerenana izany ny manam-pahefana malagasy, tamin' ny fampahatsiahivana ny "Fifanarahan' ny Firenena Mikambana miady amin' ny heloka bevava voarindra miampita firenena" (fr.: Convention des Nations unies contre la criminalité transnationale organisée)[11]. Tamin' ny 14 Marsa 2025, taorian' ny fifampiraharahana nandritra ny telo taona mahery, dia naverin' i Kômoro amin' i Madagasikara ilay volamena[7][5][12]. Mamaritra ity famerenana ny volamena malagasy ity ho fanehoana fiaraha-miasa tsara momba ny ady amin' ny fanondranana tsy ara-dalàna ny fanambarana iraisan' ny fanjakana roa tonta[2][13].
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]Videô
- "Trafic d'or entre Madagascar et les Comores", Radio Frequence Ouani
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Ireto ny anarana voatonona: Faizara Pacheco Azali sy Pierre Stenny Andrianantenainambinitsoa
- 1 2 "Madagascar: Contrebande - Les Comores rétrocèdent les 49 kilos d'or", fr.allafrica.com
- ↑ "49 kg d’or saisis aux Comores : La délégation malgache a ramené les deux trafiquants hier", tanikomadagascar.com
- 1 2 "Après trois ans de tensions et sous pression, Azali accepte de-restituer les lingots d'or volés à Madagascar", www.comoresinfos.net
- 1 2 "Lingots d'or de 49kg - Les biens de Madagascar restitués par les Comores", laverite.mg
- ↑ "Comores : la justice dévoile les raisons de la restitution de l’or à Madagascar", lejournaldemayotte.yt
- 1 2 "Madagascar: Contrebande - Les Comores rétrocèdent les 49 kilos d'or", fr.allafrica.com
- ↑ "Madagascar : enquête sur le trafic d'or", information.tv5monde.com
- ↑ "Or en provenance de Madagascar saisi aux Comores : "10 expéditions entre septembre et décembre"", www.linfo.re
- ↑ "Comoros returns 28 gold bars to Madagascar, mending ties", www.samaa.tv
- ↑ "Contrebande - Les Comores rétrocèdent les 49 kilos d’or", www.lexpress.mg
- ↑ "Moroni – Comores: Madagascar récupère ses 49 kg d’or", newsmada.com
- ↑ "Les 49 kg d'or saisis aux Comores", www.madagascar-tribune.com