Radio France internationale

Ny Radio France Internationale na RFI, dia onjam-peom-panjakana frantsay izay manao fampielezam-peo iraisam-pirenena, natsangana tamin' ny 6 Janoary 1975. Manana mpihaino miisa 59,5 tapitrisa izy io tamin' ny taona 2022,ka mahatonga azy ho anisan' ny onjam-peo iraisam-pirenena be mpihaino indrindra eran-tany, miaraka amin' ny Deutsche Welle, ny BBC World Service, ny Voice of America ary ny Radio China International. Mampiely feo amin' ny firenena miisa 150 mahery manerana ny kôntinanta dimy ny RFI. Nanomboka tamin' ny taona 2008 dia sampan' ny vondrona France Médias Monde ilay onjam-peo, miaraka amin' ny fahitalavitra iraisam-pirenena France 24 sy ny onjam-peo amin' ny teny arabo Monte Carlo Doualiya, izay be mpanaraka any Maghreb.
Manana tambajotra-mpano gazety midadasika izay malaza amin' ny fahaleovantenany ny RFI, miorina ao Paris ny 480 amin' izy ireo ary 400 ny mpanao gazety manerantany. Mampiely feo amin' ny teny frantsay sy amin' ny fiteny vahiny 16 amin' ny alalan' ny zanabolana maro, ny tambajotra nomerika an-tanety RNT, ny onjam-peo fohy sy antonony, ny FM, tambajotra an-tariby ary amin' ny Internet ny RFI. Alefa amin' ny onjam-peo mpiara-miombon' antoka maherin' ny 1 700 manerana izao tontolo izao koa ny fandaharana ao aminy. Amin' ny teny frantsay, amin' ny teny anglisy, amin' ny teny espaniôla ary amin' ny teny haosa ny ankamaroan' ny votoatiny ampitainy. Mahazo fandaharana manokana ora vitsivitsy ny fiteny soahily, fola, pôrtogey, mandinga, ary okrainiana. Fanampin' izany, dia anisan' ny onjam-peo malaza indrindra ao Romania ny sampana romanianany, ny RFI Roumanie.
Tamin' ny taona 2022 dia manana mpihaino misa 59,5 tapitrisa isan-kerinandro maneran-tany ny RFI. Ahitana mpitsidika 24,6 tapitrisa isam-bolana ny tranokalany ary arahin' ny mpanjifa 31,1 tapitrisa ao amin' ny Facebook, Twitter, Instagram ary YouTube ny tambajotran-tsaraserany. Ny RFI no onjam-peo frantsay malaza indrindra ao amin' ny Facebook.