Hankany amin'ny vontoatiny

Pyxis arachnoides

Avy amin'i Wikipedia
Pyxis arachnoides

Ny Pyxis arachnoides dia karazana sokatra ao amin' ny fianakaviana Testudinidae (sokatra an-tanety), izay tsy hita raha tsy eto Madagasikara. Mety hahatratra 15 sm eo ho eo ny halavany.

Faritra sy toerana ahitana azy

[hanova | hanova ny fango]

Tsy hita afa-tsy any amin' ny faritra atsimo-andrefan' i Madagasikara, izay ahitana ny fonenany ao amin' ny zavamaniry misy tsilo any amin' ny faritra amorontsiraka, ny Pyxis arachnoides.

Tsingerim-piainana sy fananahana

[hanova | hanova ny fango]
Pyxis arachnoides

Tsy dia fantatra loatra ny tsingerim-piainan' ity sokatra atahorana ho lany tamingana ity, izay heverina fa velona hatramin' ny 70 taona. Mihinana ravin-javamaniry tanora sy olitra ary na dia ny tain' ny biby lehibe aza izy io. Rehefa tonga ny vanin-taon' ny orana dia tapitra ny fotoana fatoriany ary manomboka manao firaisana ny sokatra. Manatody tokana ny vavy rehefa miteraka, ary tsy foy raha tsy aorian' ny 220-250 andro ny atody (7 hatramin' ny 8 volana eo ho eo). Fandrahonana lehibe indrindra atrehin' ny sokatra ny fihazana sy ny fivarotana tsy ara-dalàna (hatao sakafo na hatao an-trano) ary ny fanimbana toeram-ponenana.

Zana-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Araka ny Tortoise and Freshwater Turtle Specialist Group (TFTSG) (28 Jona 2011) dia misy zana-karazana telo ny Pyxis arachnoides:

  • Pyxis arachnoides arachnoides Bell, 1827
  • Pyxis arachnoides brygooi Vuillemin & Domergue, 1972
  • Pyxis arachnoides oblonga Gray, 1869

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]