Hankany amin'ny vontoatiny

Punica

Avy amin'i Wikipedia
Punica protopunica

Ny Punica dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Lythraceae, izay ahitana karazany roa ihany. Izy ireo dia hazo fihinam-boa manintsan-dravina. Ny Punica granatum no fantatra indrindra. Ny Punica protopunica (ampongabendanitr' i Socotra) no hany karazana hafa amin' io vondron-karazana io, izay tsy hita raha tsy any amin' ny nosy Socotra, izay miavaka noho ny fananany vony mavokely (mena ny an' ny Punica granatum) sy ny voany kely kokoa sy tsy dia mamy. Samy atao hoe ampongabendanitra izy roa ireo.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]

Tsy ahitana afa-tsy karazana roa ny Punica.

  • Punica granatum L. -- ampongabendanitra mahazatra
  • Punica protopunica Balf.f. -- ampongabendanitr' i Socotra

Fampiasana amin' ny fitsaboana

[hanova | hanova ny fango]

Ny hoditry ny ampongabendanitra dia nampiasaina ho famonoana kankana. Nilaza ny Dr. Rontet, dokotera any Antwerp, fa tena mandaitra amin' ny kankam-pisaka Taenia lata sy Silium izy io, ary koa amin' ny kankan-dronono na noetse Enterobius vermicularis sy amin' ny kankana Ascaris lumbricoides.