Ptôlemaiôsy XI

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy XI)
Ptolemaiosy XI

I Ptôlemaiôsy XI na Ptôlemaiôsy XI Aleksandra II dia mpanjakan' i Egipta avy tamin' ny fianakaviana lagida izay nanapaka tamin' ny taona 80 taor. J.K. Zanak' i Ptôlemaiôsy X Aleksandra I izy ary tsy fantatra ny reniny, nefa misy mpahay tantara milaza fa i Kleôpatra V Selena I no reniny. Teraka tamin' ny taona 105 na 104 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 80 tal. J.K. Atao hoe Πτολεμαῖος Ἀλέξανδρος / Ptolemaĩos Aléxandros io anarany io amin' ny teny grika.

Nirahina tany Kôsy izy tamin' ny taona 103 tal. J.K. ka nosamborin' i Mitridata VI mpanjakan' i Pônto niaraka tamin' i zana-drahalahin-drainy Ptôlemaiôsy mpanjakan' i Kiprôsy tamin' i Mitridata naka ny nosy Kiprôsy tamin' ny taona 88 tal. J.K. Nandritra ny fotoana nahavoafonja azy dia notezaina tao amin' ny lapan' ny mpanjakan' i Ponto izy ka afaka nifampiresaka tamin' i Mitridata VI sy i Sila (na Sola; latina: Lucius Cornelius Sulla) mba handositra sy hikambana amin' ity farany. Rehefa maty i Ptôlemaiôsy IX Sôtera II Latirôsy dia izy no tokony handova azy eo amin' ny fanjakan' i Egipta. Tamin' ny fiantombohan' ny taona 80 tal. J.K. dia noteren' i Sila ho mpanjakan' ny mponin' i Aleksandria izy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]