Ptôlemaiôsy V

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy V Epifanesy)
Vola misy ny sarin' i Ptôlemaiôsy V

I Ptôlemaiôsy V na Ptôlemaiôsy V Epifanesy Eokaristôsy dia faraon' i Egipta avy amin' ny fianakaviana lagida sady zanak' i Ptôlemaiôsy IV tamin' i Arisnôe III. Teraka tamin' ny taona 210 tal. J.K. izy. Atao hoe Πτολεμαίος E' ὁ Έπιφανὴς καὶ Εὐχάριστος / Ptolemaios E o Epiphanês kai Eokharistos izy amin' ny teny grika. Ny hoe Epiphanês dia midika hoe "mamiratra".

Taorian' ny nahafatesan-drainy tamin' ny taona 204 tal. J.K. dia nambara ny maha mpanjaka azy raha mbola 5 na 6 taona izy ka i Arisnôe III reniny no nitantana vonjimaika ny fanjakana. Naka ny fitondrana an-keriny i Agatoklesy (grika: Ἀγαθοκλῆς / Agathoklês) sy i Sôsibiôsy (grika: Σωσίβιoς / Sôsibios) rehefa avy namono an' i Arisnôe III tamin' io taona io ihany. Nandimby an' i Ptôlemaiôsy IV rainy izy ary nodimbiasan' i Ptôlemaiôsy VI zanany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]