Ptôlemaiôsy VII

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ptolemaiosy VII)
Vola misy ny sarin' i Ptôlemaiôsy VII

I Ptôlemaiôsy VII na Ptôlemaiôsy VII Eopatôra na Ptôlemaiôsy VII Neôsy Filôpatôra dia faraonan' i Egipta avy amin' ny fianakaviana lagida, izay nanjaka tamin' ny volana Jolay 145 tal. J.K. hatramin' ny taona 144 tal. J.K. Tamin' ny faha-13 taonany dia nifampizara ny fitondrana tamin-drainy izy ary lasa nandova ny fanjakana rehefa maty rainy tamin' ny taona 145 tal. J.K. Noho izany dia ny reniny no nisahana vonjimaika ny fanapahana ny fanjakana mandra-pahatanterahan' ny fanambadiany amin' i Ptôlemaiôsy VIII Evergetesy II Trifôna rahalahin-drainy sady mpanjakan' i Kirena any Kirenaika. Te haka ny fiandrianan' i Egipta i Ptôlemaiôsy VIII ka nampamono an' i Ptôlemaiôsy VII tamin' io taona io ihany. Ny mpahay tantara sasany dia mihevitra fa tsy azo lazaina ho tena nanjaka tokoa i Ptôlemaiôsy VII ka tsy tokony homena ilay anaram-boninahitra mitondra an' io laharana io. Izany no mety hahitana ny soratra hoe "Ptôlemaiôsy VII Evergetesy II Trifôna" (misy ny laharana faha-VII fa tsy ny faha-VIII).

Zanaka lahy faharoan' i Ptôlemaiôsy VI Filômetôra tamin' i Kleôpatra II Filômetôra Sôteira izy. Amin' ny teny grika dia atao hoe Πτολεμαῖος Νέος Φιλοπάτωρ / Ptolemaĩos Néos Philopátōr izy, ka ny hoe Néos Philopátōr dia midika hoe "vaovao tian-drainy". Tsy tokony hafangaro amin' i Ptôlemaiôsy Eopatôra rahalahiny i Ptôlemaiôsy VII Eopatôra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]