Aller au contenu

Pteridophyta

Avy amin'i Wikipedia
Lycopodiella inundata (Lycopodiaceae).

Ny Pteridophyta dia zavamaniry misy lalan-dranon-kazo (manana ksilema sy flôema) izay tsy mamokatra vony na voa. Noho izany dia kriptôgama izy ireo. Ny vondrona Pteridophyta dia tena mivelatra ary nampidirina tao amin' ny sistematika ho fizaràn' ny Pteridophyta (indraindray zana-pizaràn' ny Pteridophytina) ao amin' ny fanjakan' ny zavamaniry (Plantae), teo am-piandohan' ny filôjenia fenetika (amin' ny fampitahana ny fanoharana voafetra amin' ny singan-toetra môrfôlôjika) nanomboka tamin' ny taonjato faha-19, mba hanavahana, ao amin' ny kôrmôfita, ny karazana lazaina hoe "tranainy" kokoa amin' ny famondronana ny kôrmôfita iray hafa izay lehibe kokoa sy lazaina hoe "nivoatra", izay antsoina hoe antôfita (io famondronana faharoan' ny zavamaniry misy vihim-boa io dia nahitana ny vondrona roa Gymnospermae sy Angiospermae izay efa navahana hatramin' ny Andro Taloha).

Ny vondrona Pteridophyta dia parapfiletika: mampitambatra ny Lycopodiopsida sy ny Polypodiopsida ao amin' ny taksôna iray ihany, fa ao anatin' ny Tracheophyta (zavamaniry misy lalan-dranon-kazo), ny Polypodiopsida dia akaiky kokoa ny Spermatophyta (zavamaniry misy vihim-boa) raha mitaha amin' ny Lycopodiopsida.