Hankany amin'ny vontoatiny

Prokaryota

Avy amin'i Wikipedia
Prokaryote isan-karazany

Ny Prokaryota dia zavamananaina bitika misy sela tokana izay tsy misy vihy ny firafitry ny sela ary saika tsy misy ôrganela manana elabakaka (ny hany maningana dia ny Thylakoide ao amin' ny Cyanobacteria). Bacteria sy Archaea no Prokaryota ankehitriny.

Tsy mahaforona taksôna manan-kery amin' ny fomba fijery filôjenetika ny Prokaryota. Ao amin' ny fanasokajiana ny zavamananaina ho fanjakana fito (Animalia, Archaea, Bacteria, Chromista, Fungi, Plantae, Protozoa) dia namorona taksôna parafiletika ny Prokaryota, izay manambatra zavamananaina mitovy firafi-tsela sy tsotra.

Ny fiheverana momba ny Prokaryote dia mifanohitra amin' ny Eukaryota, izay fantatra amin' ny fisian' ny vihy sy ôrganella maro hafa; noheverina ho tena fototra io fizaràna ny vondron' ny zavamananaina ho roa io. Inoana fa niforona tamin' ny alalan' ny fidiran' ny Prokaryota kely tao anatin' ny lehibe kokoa ny Eukaryota amin' ny ankapobeny.

Ny razambe iraisana farany dia Prokaryota. Azo inoana fa efa nisy nandritra ny Eoarkeana (3,6 lavitrisa taona mahery lasa izay) ireo zavamananaina bitika ireo. Ny fandalinana momba ny Prokaryota dia nivoatra indrindra tamin' ny taonjato faha-19, tamin' ny asan' i Louis Pasteur tany Frantsa sy i Robert Koch tany Alemaina. Niseho tamin' ny taompolo 1950 ny teny hoe "prokaryota", rehefa nampiseho ny tsy fisian' ny tena vihy ao amin' ny sela ny mikrôskôpy elektrônika.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]