Hankany amin'ny vontoatiny

Portulacaria

Avy amin'i Wikipedia
Portulacaria afra

Ny Portulacaria dia antokon-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Portulacaceae araka ny fanasokajiana klasika, na ao amin' ny fianakaviana Didiereaceae araka ny fanasokajiana filôjenetika (ao amin' ny zana-pianakaviana Portulacarioideae). Teratany aty amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika izy io.

Taksônômia

[hanova | hanova ny fango]

Ny antoko Portulacaria dia napetraka tao amin' ny fianakaviana Portulacaceae teo aloha, saingy araka ny fanadihadiana momba ny môlekiola dia anisan' ny Didiereaceae izy. Nohavaozina ihany koa izy io rehefa nasehon' ny andrana filôjenetika fa ao anatin' ny Portulacaria no misy ny antoko Ceraria, ary ny karazana rehetra ao amin' ny Ceraria dia novana anarana sy nafindra tao amin' io antoko io.

Lisitry ny karazana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny karazana arakany Plants of the World Online tamin' ny volana Marsa 2024:

  • Portulacaria afra Jacq.
  • Portulacaria armiana van Jaarsv.
  • Portulacaria carrissoana (Exell & Mendonça) Bruyns & Klak (← Ceraria carrissoana Excell & Mendonca)
  • Portulacaria fruticulosa (H.Pearson & Stephens) Bruyns & Klak (← Ceraria fruticulosa Pearson & Stephens)
  • Portulacaria longipedunculata (Merxm. & Podlech) Bruyns & Klak (← Ceraria longipedunculata Merxm & Podlech)
  • Portulacaria namaquensis Sond. (← Ceraria namaquensis Sond.)
  • Portulacaria pygmaea Pillans (← Ceraria pygmaea Pillans)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]