Portulacaceae
Ny Portulacaceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka; ao amin' ny filaharana Caryophyllales. Zavamaniry ahitra izy ireo, maniry isan-taona na maharitra an-taonany, amin' ny ankapobeny dia misy volovolo sy be nofo, manana raviny tsotra sy feno, vony mitokana na mivondrona, hita manomboka amin' ny faritra antonony ka hatrany amin' ny faritra mafana, indrindra any Amerika sy amin' ny ilany atsimo amin' i Afrika.
Ao amin' ny fanasokajiana klasika izy io dia misy karazana 500 mitsinjara amin' ny vondron-karazana 19 ka hatramin' ny 21. Ao amin' ny fanasokajiana APG III, dia vondron-karazana maro no nafindra any amin' ny Montiaceae, Didiereaceae, Anacampserotaceae ary Talinaceae, ka mahatonga an' ilay fianakaviana ho mônôfiletika sy tsy manana afa-tsy ny vondron-karazana Portulaca.
Lisitry ny vondron-karazana
[hanova | hanova ny fango]Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny Angiosperm Phylogeny Website (2 Sep 2010) sy ny NCBI (2 Sep 2010):
Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny DELTA Angio (4 Mey 2010):
- Amphipetalum
- Anacampseros
- Baitaria
- Calandrinia
- Calyptridium
- Calyptrotheca
- Ceraria
- Cistanthe
- Claytonia
- Grahamia
- Lenzia
- Lewisia
- Montia
- Portulaca
- Rumicastrum
- Schreiteria
- Silvaea
- Talinella
- Talinopsis
- Talinum
Inty ny lisitry ny vondron-karazana araka ny ITIS (4 Mey 2010):
- Calandrinia Kunth
- Calyptridium
- Cistanthe Spach
- Claytonia L.
- Lewisia Pursh
- Montia L.
- Portulaca L.
- Portulacaria Jacq.
- Spraguea
- Talinopsis Gray
- Talinum Adans.
Antoko efa nafindra fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Ny fanasokajiana filôjenetika (indrindra tamin' ny asan' ny APG III sy APG IV) dia nampihena be ny isan' ny vondron-karazana ao amin' ny fianakaviana Portulacaceae izay lasa mônôfletika, ka ny karazana Portulaca ihany no sisa. Toy izao ny namindrana ny antoko sasany izay tao amin' ny fianakaviana Portulacaceae teo aloha:
- Anacampserotaceae: Anacampseros, Grahamia, Talinopsis
- Didiereaceae: Calyptrotheca, Portulacaria, Ceraria (indraindray ampidirina ao amin' ny Portulacaria)
- Montiaceae: Calandrinia (= Baitaria sy Rumicastrum), Calyptridium, Calyptridium, Cistanthe, Claytonia, Lenzia, Lewisia, Montia, Rumicastrum, Schreiteria, Silvaea (= Cistanthe), Spraguea (matetika ampidirina ao amin' ny Calyptridium)
- Talinaceae: Amphipetalum, Talinella, Talinum