Portulaca oleracea

Ny Portulaca oleracea dia karazana zavamaniry mamony mandady rantsana, ao amin' ny fianakaviana Portulacaceae mifanentana tsara amin' ny toetany mafana. Na dia heverina ho ahidratsy aza, dia ambolena ho sakafo sy fanafody. Tena eny an-jaridaina izy io. Atao hoe anamatavy, ananjabora, fandrianomby, kalabotretra, kalabotretraka, kambo, taikombelahy, na tsikobokobondanitra izy io amin' ny teny malagasy.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Taho
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry matevin-dravina sy taho ny Portulaca oleracea, izay ahitra maniry isan-taona na maharitra mihitsy aza any amin' ny faritra trôpikaly. Maro sampana, mivelatra amin' ny savaivo 10-30 sm izy io ary misampana avy eo amin' ny fotony ary matetika manopy mena ny rantsany mandry na mitsangana. Nofosana ny raviny sy ny tahony.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Mifanohitra ny ravina ambany, fa ny ambony kosa dia mifandimby, mibikan' atody na salavalava, mizoro eo amin' ny fotony, ary tsy misy tangozany. Mety mirefy 40 mm ny lavany ary 15 mm ny sakany, ary mbola lehibe kokoa aza any amin' ny tany lonaka (60 mm x 25 mm).

Vony
[hanova | hanova ny fango]Mitokantokana na mivondrona eo amin' ny foto-dravina sy eo amin' ny tendron-drantsana ny voniny mavo sy tsy misy tangozany. Manana ravimbony 2 tsy mitovy sy dombo ary manana felambony 4 ka hatramin' ny 6 malalaka na mitambatra kely eo amin' ny fotony, ary tena mora mihintsana. Manodidina tahom-bavimbony iray misy rantsana 4 ka hatramin' ny 6 ny lahimbony 6 ka hatramin' ny 12.
Voa
[hanova | hanova ny fango]
Kapsiola miendrika atody izay mivoha manodidina ny sakany sady misy vihim-boa maro mainty manjelatra ny voany.
Ekôlôjia
[hanova | hanova ny fango]Maniry manerana an' i Frantsa sy any amin' ny faritra mafana sy antonony eran' izao tontolo izao ny Portulaca oleracea. Hita any Eorôpa sy any Azia (Sina, India, sns.), any Amerika, ary any Aostralia. Miroborobo any amin' ny tany nilaozana misy zavamaniry tia hafanam-be sy eny amin' ny zaridaina izy io. Toa ny Melanthera biflora sy ny Ipomoea pes-caprae ary ny Digitaria ciliaris ny Portulaca oleracea izay anisan' ny karazana zavamaniry voalohany nanjanaka ny toerana simba any amin' ny tany mafana.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Sakafo
[hanova | hanova ny fango]Ataon' ny olona sakafo tsy tapaka ny Portulaca oleracea any Kreta; anisan' ny sakafo kretana izy io. Toeram-panirian' ny ovan-karazana maro be izay maniry voajanahary ao amin' ny lavaka mando amin' ny hadin-driaka i Kreta.
Manendy ny raviny sy ny tahony amin' ny menaka ôliva miaraka amin' ny frômazy féta, voatabia, tongololay, ary marzôlena (Origanum majorana) ny Grika izay miantso azy io hoe αντράκλα / andrakla na γλυστρίδα / glystrida. Hanina atao salady ary manana tsiro makirana kely na somary masiaka ny tahony sy ny ravin' ny Portulaca oleracea. Any Torkia dia hanina atao salady ary matetika asolo ny epinara ny Portulaca olerace, satria mora kokoa ny manomana izany.

Ho an' ny fambolena legioma dia misy ny endrika manana ravina lehibe, ao anatin' izany ny misy ravina milokom-bolamena, ary ny misy voniny mavokely na fotsy dia volena mba hatao haingo. Azo atao amin' ny lasopy na omelety koa ny Portulaca olerace. Any Alzeria atsinanana, indrindra any amin' ny faritr' i Touggourt, ny Portulaca olerace dia ampiasaina amin' ny fanamboarana koskosy.
Fanafody
[hanova | hanova ny fango]Ny vihim-boan' ny Portulaca olerace dia iray amin' ny akora ampiasina ao amin' ny diaprun solutif, izay fanafody ampiasaina amin' ny farmakôpean' ny tantsambo tandrefana tamin' ny taonjato faha-18.