Hankany amin'ny vontoatiny

Porcula salvania

Avy amin'i Wikipedia
Porcula salvanius

Ny Porcula salvania dia biby mampinono, karazana lambo zeny, ao amin' ny vondron-karazana Porcula, ao amin' ny fianakaviana Suidea. Izy io no karazana tsy fahita firy indrindra ao amin' ity fianakaviana ity, ary misy mponina miisa 200 eo ho eo.

Ny Porcula salvanius dia iray amin' ny karazana kely indrindra ao amin' ny fianakaviana Suidae, ny halavany dia tsy mihoatra ny 60 sm ary ny haavony hatreo an-tsorony dia 28 sm eo ho eo. Ny lanjan' ny Porcula salvanius dia 6 ka hatramin' ny 10 kg. Ny lokon' ny hoditry ny Porcula salvanius dia manja, misy volo mainty vitsivitsy na mainty. Ny ao aorian' ny lohany sy ny ampahany amin' ny lamosiny misy vombony kely mitsangana. Ny zanany vao teraka dia volondavenona mavokely, fa ny volon' ny tanora kosa dia manja misy tsipitsipika mavo. Ny lahy lehibe dia mety ho hahitana vanginy eo amin' ny andaniny roa amin' ny valanoranony.

Toerana misy ny Manas National Park

Faritra misy azy

[hanova | hanova ny fango]

Ny hany mponina amin' izao fotoana izao dia mipetraka ao amin' ny Manas National Park any amin' ny fanjakan' i Assam (India). Ny toeram-ponenany dia lemaka mando be orana, rakotra bozaka lava be. Mety niparitaka be ilay karazana teo aloha, indrindra any amin' ny firenena an-tsisintany sasany toa an' i Nepaly sy i Bangladesy ary i Botàna.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]