Pocahontas

I Pocahontas dia vehivavy amerindiana avy amin' ny vahoaka Pôhatàna, malaza amin' ny fiarahany tamin' ny fiorenam-ponenan' ny voanjo tany Jamestown. Teraka tamin' ny taona 1595 ary maty tamin' ny 21 Marsa 1617 tao Gravesend izy. Izy dia zanakavavin' i Nonoma Winanuske Matatiske sy i Wahunsenacawh (na Wahunsunacock), lehibe fara tampon' ny Tsenacommacah, izay fikambanan' ny foko Pôhatàna maro (fantatra amin' ny teny anglisy hoe Powhatan Confederacy), izay manodidina ny faritr' i Tidewater amin' izao fotoana izao any amin' ny fanjakan' i Virginia any Etazonia.
Ny tena anarany dia Matoaka ("voninkazo anelanelan-drenirano roa", nomena azy io anarana io satria teraka teo anelanelan' ny renirano roa Mattaponi sy Pamunkey) sy Amonute (anarana izay manondro ny satan' ny fanombohana sy ny fampiharana ny Dream Vision (en)). "Pocahontas" dia anaram-bosotra fahazaza manondro ny toetrany masiaka (amin' ny fiteny pôhatàna, fitenim-paritra algônkina).
Nosamborina i Pocahontas ary notazonin' ny voanjo anglisy hitakiana vola nandritra ny ady tamin' ny taona 1613. Nampirisihina hiova ho kristianina izy nandritra ny fahababoany, ary natao batisa tamin’ ny anarana hoe Rebecca. Nanambady an’ i John Rolfe mpamboly paraky izy tamin’ ny Avrily 1614, teo amin’ ny faha-17 na faha-18 taonany teo ho eo, ka lasa Rebecca Rolfe, ary niteraka an’ i Thomas Rolfe, zanak’ izy ireo, tamin’ ny Janoary 1615.
Tamin' ny taona 1616 dia nandeha tany London ny fianakaviana Rolfes, izay nanehoana an' i Pocahontas amin' ny fiarahamonina anglisy ho ohatra amin' ny "olon-dia nadray sivilizasiôna" (anglisy: "civilized savage") mba hanentanana ny fampiasam-bola ao Jamestown. Tamin' ity fandehanana lavtra ity dia mety nifankahita tamin' i Squanto, lehilahy avy amin 'ny foko Patokseta avy any New England izy. Lasa olo-malaza i Pocahontas, nankalazaina tamin' ny fomba kanto, ary nanatrika fandihizana misy saron-tava tao amin' ny Lapa Whitehall (anglisy: Whitehall Palace). Nikasa handeha sambo ho any Virginia ny fianakaviana Rolfes tamin’ ny taona 1617, nefa maty tany Gravesend, any Kent, Angletera, i Pocahontas, noho ny antony tsy fantatra, tamin’ izy 20 na 21 taona. Nalevina tao amin’ ny Fiangonana St George (anglisy: St George's Church), any Gravesend izy; Tsy fantatra ny tena toerana nisy ny fasany satria naorina indray ilay fiangonana rehefa avy noravan’ ny afo.
Toerana sy zava-boaorina ary vokatra maro any Etazonia no nomena ny anaran' i Pocahontas. Ny fitantarana dia nalaza nandritra ny taona maro, ary maro amin' ny fanehoana izany no noforonina fa tsy tena nisy. Maro amin' ny fitantarana nataon' ilay mpikaroka tany vaovao anglisy John Smith momba azy no notoherin' ny taranany voarakitra an-tsoratra. Lohahevitra ao amin' ny zavakanto sy ny haisoratra ary ny sarimihetsika izy. Olona malaza maro no nilaza fa anisan' ny taranany, anisan' izany ny ao amin' ny Fianakaviana Voalohany any Virginia (anglisy: First Families of Virginia), i Edith Wilson vadin' ny filoham-pirenen' i Etazonia, ny mpilalao an-tsarimihetsika amerikana Glenn Strange, ary ny astrônôma Percival Lowell.