Plotôna (andriamanitra)
Fiseho

I Plotôna no andriamanitry ny tontolo ambanin' ny tany amin' ny fedrà rômana sy grika. I Krônôsy rain' i Plotôna dia tsy tokony hafangaro amin' i Krônôsy. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Pluto fa amin' ny teny grika kosa dia atao hoe Πλούτων / Ploútōn (izay matetika ampitovina amin' ny fomba diso amin' i Plotôsy (Πλοῦτος / Ploūtos), andriamanitry ny harena sady zanak' i Iasiôsy (Ἴασος / Íasos) sy ny andriamanibavy Demetera (Δημήτηρ / Dêmếtêr). Zanaky ny titàna Krônôsy sy i Rea (Satiorna sy Ôpsa ho an' ny Rômana) i Plotôna izay ampitovina amin' i Hadesy (ᾍδης / Háidēs) ao amin' ny fedrà grika. Ny anarana nomena an' i Plotôna taloha dia ny hoe Hadesy, izay lasa nanondroana ny Fanjakan' i Hadesy taty aoriana.