Pleiada (angano)

Ny Pleiada dia anarana iantsoana ireo zanaka vavy fiton'ny Titàna Atlasy sy ny Okeanisa Pleionê (Ὠκεανίς / Ôkeanís; Πληιόνη / Plêiónê). Antsoina amin'ny teny grika hoe Πλειάδες / Pleiádes izy ireo. Avy amin'ny anaran-drenin'izy ireo (Pleionê) no nahazoana io anarana iombonany io. Izao avy ny anaran'ireo Pleiada tsirairay araka ny fizokiany:
- Maia (grika: Μαῖα / Maĩa);
- Alkionê (grika: Ἁλκυόνη / Αlkuónē);
- Asteropê (na Steropê) (grika: Στερόπη / Sterόpê na Ἀστερόπη / Asterόpê);
- Kelaino (grika: Κελαινό / Kelainó);
- Elektra (grika: Ἠλέκτρα / Êléktra);
- Taigetê (grika: Ταϋγέτη / Taügétê);
- Meropê (grika: Μερόπη / Μerόpê).

Amin'ny sehatry ny haikintana dia antokon-kintana koa ny anarana hoe Pleiada.