Aller au contenu

Plants of the World Online

Avy amin'i Wikipedia

Ny Plants of the World Online na POWO dia angona bôtanika an-tserasera avoakan' ny Kew Gardens. Natomboka tamin' ny volana Marsa 2017 izy io, ka ny tanjona faratampony dia ny "hahafahan' ny mpampiasa miditra amin' ny fahalalana momba ny zavamaniry misy vihy (Spermatophyta) fantatra eran' izao tontolo izao amin' ny taona 2020".

Nifantola amin' ny zavamaniry lehibe indrindra aty Afrika Trôpikaly ilay tetikasa tamin' ny voalohany, indrindra fa ny Flora Zambesiaca (zavamaniry ao amin' ny lemak' i Zambezi), ny zavamaniry any Afrika Andrefana trôpikaly, ary ny zavamaniry aty Afrika Atsinanana trôpikaly. Nanomboka tamin' ny taona 2023, ny tranokala WCSP sy WCVP teo aloha dia natodika any amin' ny tranokala Plants of the World Online.

Ity farany ity dia loharano amin' ny lafiny taksônômia ho an' ny World Flora Online momba ny zavamaniry misy lalan-dranon-kazo ary manome azy koa ny famaritana môrfôlôjika. Ny POWO dia noforonin' ny bôtanista Rafaël Govaerts.µ

Tranonkala: (en) powo.science.kew.org