Hankany amin'ny vontoatiny

Pittosporum

Avy amin'i Wikipedia
Pittosporum heterophyllum

Ny Pittosporum dia vondron-karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Pittosporaceae, misy karazany 200 eo ho eo, ka ny 45 amin' ireo dia tsy fahita afa-tsy any Nouvelle-Calédonie. Ity vondron-karazany ity dia hazo na hazobotry manana haavo 2 ka hatramin' ny 30 m. Ny karazana sasany (toy ny Pittosporum tobira sy Pittosporum tenuifolium) dia ambolena ho haingo. Mamoaka fofon-tantely sy lavanila indraindray ny vonin' ireo zavamaniry ireo.

Karazana notsongaina

[hanova | hanova ny fango]
Maimbovitsika (Pittosporum senacia)

Indreto misy karazana notsongaina, amin' ireo izay misy eto Madagasikara. Matetika ny anaran' izy ireo no ahitana ny teny hoe "ambovitsika" na "hambovitsika", "fantsikala" na "fatsikala", "hazombary" (na "hazombari-"), "maimboloha" na "memboloha" na "mantsiloha", "maimbovitsika" na "membovitsika".

  • Pittosporum ambrense Cufod. -- fandoabola
  • Pittosporum macrosepalum Cufod. -- ambovitsika
  • Pittosporum oblongifolium C.H. Wright -- hazombarorana
  • Pittosporum ochrosiifolium Bojer (tafiditra ao ny Pittosporum pachylobum Tul.) -- amborantsaha, amborasaha, ambovitsika, ampale, ampaly, fantsikala, faraimpa, fatsikala, hambovitsika, hazombary, hazombavy, hazombony, longotra, maimboloha, masakatsara, tsimasakatsara
    • Pittosporum ochrosiifolium var. madagascariense (Danguy) Cufod. (na Pittosporum madagascariense Danguy) -- fotsimavo.
  • Pittosporum pachyphyllum Baker -- ambovitsika, fotsimavo, mavoravina, voafiatonana, voantsilamena, zemby
  • Pittosporum polyspermum Tul. -- fantsikala, hazombarimadinidravina, hazombary, maimbovitsika, maimbovitsikala, membovitsika, mongiberavina, mongy, nantofotsy, sanganakoholahy
  • Pittosporum salicifolium Danguy -- ambovitsikalavaravina
  • Pittosporum senacia Putt. -- ambovitsika, maimbovitsika
    • Pittosporum senacia var. pervillei -- maimbovitsika, menavongena
  • Pittosporum verticillatum Bojer -- ambovitsika, ampody, fandoabola, fangora, fantsikala, hambovitsika, hazombary, maimboloha, maimbovitsika, mantsiloha, masakatsara, memboloha
    • Pittosporum verticillatum subsp. pangalanense -- hazomalany, hazombarorana, takantsy
    • Pittosporum verticillatum subsp. pangalanense -- fangoraberavina
  • Pittosporum viridiflorum Sims -- ambovitsika, hazoambo, hazomamy, hazombimainty, maimboloha, maimbolohatsilikasy, maimbovitsika, savonihazoberavina, vavaloza

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]