Piriritra

Ny piriritra dia famoahana fivalanana malemy na mitsiranoka intelo farafahakeliny isan' andro, na fivalanana mihoatra ny habetsahana mahazatra (mihoatra ny 300 grama isan' andro). Tsy voatery ho aretina io fikorontanan' ny fiasan' ny tsinay io, fa soritr' aretin' ny tsy fahatomombanan' ny fandevonan-kanina.
Mazàna ny fivalanana dia mitsiranoka, fa indraindray malemy, ahitana tsiloly na ra sy ny soritr' aretina maro hafa arakaraka ny antony mahatonga ny piriritra. Amin' ny toe-javatra sasany dia mety ho rano fotsiny na ranoka mangarahara. Amin' ny toe-javatra faran' izay mafy, toy ny kôlerà, dia mihoatra ny 20 litatra ny ranoka mety ho very isan' andro. Matetika miaraka amin' ny zihinofo sy fanaintainan' ny tsinay ny piriritra, izay mety hahatonga ny olona tsy hahazo aina, ary koa hangovitra sy ho tsemboka mangatsiaka amin' ny tranga sasany.
Ny piriritra no antony faharoa mahatonga ny fahafatesan' ny zaza any amin' ny firenena an-dalam-pandrosoana (aorian' ny pneomônia), ary tompon' andraikitra amin' ny 18 % amin' ny fahafatesan' ny zaza latsaky ny 5 taona.
Na dia amin' ny olombelona indrindra aza no ahafantarana ny piriritra, dia mahazo ny karazam-biby maro hafa koa izy io, singanina amin' izany ny primata isan-karazany (rajako sns). Ny kambontsinay, raha misy, dia toa manome fiarovana amin' ny piriritra ho an' ny primata mbola kely.