Hankany amin'ny vontoatiny

Pirôna avy any Elisy

Avy amin'i Wikipedia
Pirôna avy any Elisy

I Pirôna avy any Elisy dia filôzôfa grika mpisalasala (skeptika) avy any amin' ny tanàna atao hoe Elis any avaratra-andrefan' i Pelôpônezy. Teraka manodidna ny taona 365 tal JK izy ary maty manodidjna ny taona 275 tal JK. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Πύρρων / Pýrrhôn. Nanomboka tamin' ny taona 320 tal JK ny asa filôzôfika nataony, ary ny mpianany dia i Onesikritôsy sy i Filôna avy any Atena ary i Timôna avy any Fliôntôsy (tsy tokony hafangaro amin' i Timôna avy any Atena), pôeta-filôzôfa nifankahazatra aminy nandritra ny roapolo taona. Izy no heverin' ny filôzôfa be fisalasalana fahiny (skeptika) ho mpanorina ilay antsoina hoe pirônisma na skeptisisma.