Piperales

Ny Piperales dia filaharan-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka izay ahitana karazana ekena 4 170 izay ahitana ny fianakaviana Piperaceae. Nampidirina ao na nesorina avy ao tamin' ny fomba samihafa ny fianakaviana hafa dia rehefa nandeha ny fotoana. Ny karazan-javamaniry tena fantatra ao anatin' io filaharana io dia ny Piper nigrum (dipoavatra mainty), ny Piper methysticum, ny karazana maro ao amin' ny Peperomia, ny Peperomia pellucida, ary ny Asarum. Zavamaniry ahitra manana voniny kely indrindra ny fianakaviana roa (Piperaceae sy Saururaceae) tsy misy fonon-taovam-pananahana.
Fianakaviana
[hanova | hanova ny fango]Ao amin' ny fanasokajian' i Cronquist (1981) dia misy fianakaviana telo ny ao amin' ny filaharana Piperales:
- Chloranthaceae
- Piperaceae
- Saururaceae
Ny fanasokajiana APG (1998) dia nanova ny firafitra anatin' ity filaharana ityfamille Aristolochiaceae
- Lactoridaceae
- Piperaceae
- Saururaceae
Ao amin' ny fanasokajiana APG II (2003) sy fanasokajiana APG III (2009), dia nitarina ny famaritna azy:
- Aristolochiaceae
- Hydnoraceae
- Lactoridaceae
- Piperaceae
- Saururaceae
Ny fanasokajiana APG IV (2016) dia nanamboatra ny firafitr' ilay filaharana:
- Aristolochiaceae (anisan' izany ny Asaraceae sy ny Hydnoraceae ary ny Lactoridaceae)
- Piperaceae
- Saururaceae