Piper

Ny Piper dia vondron-karazan-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Piperaceae. Miseho amin' ny endrika hazobotry sy ahitra ary vahy izy ireo, izay ahitana karazana mihoatra ny 2 000. Io no vondron-karazan-javamaniry ahitana ny dipoavatra sy zavamaniry manitra sy fanao fanafody maro. Ny karazana sasany dia manana voany izay manana tsiro masiatsiaka vokatry ny fisian' ny amidan' ny piperine.
Maro amin' izy ireo no zavamaniry manjakazaka ao amin' ny toerana aniriany. Mahaliana ho an' ny fahatakarana ny fivoaran' ny zavamaniry ny fahasamihafana ao amin' ity vondrona ity.
Ny fianakaviana Piperaceae dia mifandray akaiky indrindra amin' ny fianakaviana Saururaceae izay, amin' ny ankapobeny, mifanahaka amin' ny zavamaniry dipoavatra kely sy marefo ary afaka maniry an-tanety sy anaty rano. Samy manana vondrom-bony miendrika rambo misy voninkazo bitika ireo fianakaviana roa ireo. Ny fianakaviana Aristolochiaceae no havany somary lavitra. Ny havan' ny Piper fantatra tsara sy tena akaiky - anisan' ny Piperaceae ihany koa - dia ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Peperomia.

Ny anarana siantifika hoe Piper sy ny anarana mahazatra hoe dipoavatra dia avy amin' ny teny sanskrita hoe pippali, izay manondro ny dipoavatra lava (P. longum).
Toetran' ny Piper
[hanova | hanova ny fango]Miseho amin' ny endrika vahy ny dipoavatra. Ny foto-dipoavatra iray dia mamoa amin' ny fahatelo taonany. Mafy ny ravin' ny dipoavatra.
Voniny
[hanova | hanova ny fango]Kely ny voniny sady mitangorona manome sampaho. Tsy manana felam-bony ny vonin-dipoavatra ka mamela mihanjaka ny vavim-bony. Mety mahatratra folo ny lahim-bony. Amin' ny faritra ambony amin’ ny tahon-dipoavatra no ipetahan' ny sampahom-boniny mirefy 7 sm hatramin' ny 10 sm izay mitodika mifanohitra amin' ny fitodiky ny ravina. Misy voniny maro milahatra miolikolika ny sampaho tsirairay. Ahitana voniny mitondra vavim-bony sy lahim-bony ny sampaho sasany, fa ny sasany kosa tsy ahitana afa-tsy vavim-bony.
Tahony
[hanova | hanova ny fango]Ny tahon' ny dipoavatra dia vahy madinika mora folaka sy tapaka, izay mety mahatratra 10 m, miraikitra amin' ny tohana na amin' ny zavamaniry hafa amin' ny alalan' ny faka manara-tahony mifatopatotra.
Voany
[hanova | hanova ny fango]
Amin' ny voalohany ny voan' ny dipoavatra dia miloko maitso, fa rehefa matoy izy dia miloko mena antitra. Mitangorona manome sampaho ny voan' ny dipoavatra ka misy voany roapolo hatramin' ny efapolo ny ny sampaho iray. Matetika ny voan-dipoavatra iray dia tsy ahitana afa-tsy vihy iray.
Faritra ambolena dipoavatra eto amin' izao tontolo izao
[hanova | hanova ny fango]Ny dipoavatra no fanatsarana tsiron-tsakafo fantatra hatramin' ny ela indrindra, efa nampiasaina tany amin' ny 3 000 taona fara-fahatarany. Ankehitriny dia volena amin' ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany ny dipoavatra, ka isan' izany i India (atsimo), i Malezia, i Ginea Vaovao, ny faritra Afrika mafana, i Natal, ny tangoro-nosy Antilia, i Brezily, sns.
Karazana Piper
[hanova | hanova ny fango]



Misy karazany maro dia maro ny Piper. Ny dipoavatra no tena volen' ny olona noho izy mampidi-bola betsaka ka mandray anjara amin' ny toekaren' ny firenena, indrindra ny Piper nigrum, izay avy any amin' ny faritra mafana any Amerika. Marihina fa tsy ny karazana ao amin' ny Piper rehetra no atao hoe dipoavatra na ahazoana dipoavatra.
Karazana voafantina
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana dipoavatra voafantina fampiasan' ny olona:
- Piper aduncum L.
- Piper amplifolium C. DC.
- Piper arborescens Roxb.
- Piper arboreum Aubl.
- Piper arboreum subsp. arboreum
- Piper arboreum subsp. tuberculatum (Jacq.) Tebbs
- Piper argyrites Ridl. ex C.DC.
- Piper aequale Vahl
- Piper amalago L.
- Piper angustifolium Lam.
- Piper angustilimbum C.DC.
- Piper attenuatum Buch.-Ham.
- Piper auritum Kunth
- Piper bantamense Blume
- Piper borbonense
- Piper betle L.
- Piper blattarum Spreng.
- Piper caducibracteum C.DC.
- Piper caracasanum Bredem
- Piper chabaW. Hunter
- Piper confertinodum (Trel. & Yunck.) M.A.Jaram. & Callejas
- Piper crocatum Ruiz & Pav.
- Piper cubeba L.f.
- Piper decurrens C.DC.
- Piper dilatatum L.C.Rich.
- Piper futokadzura Siebold
- Piper glabrescens (Miq.) C.DC.
- Piper guayranum C.Dc.
- Piper guineense Schumach. & Thonn.
- Piper hispidinervum C.DC.
- Piper hispidum Sw.
- Piper hymenophyllum
- Piper jacquemontianum Kunth
- Piper kadsura (Choisy) Ohwi
- Piper lambeauense C.Dc.
- Piper latifolium L.f.
- Piper lolot C.DC.
- Piper longifolium Ruiz & Pav.
- Piper longum L.
- Piper magnibaccum
- Piper marginatum Jacq.
- Piper methysticum G.Forst.
- Piper mornicola C.Dc.
- Piper nigrum L.
- Piper nudilimbum C.DC.
- Piper ornatum N.E.Br.
- Piper ovatum Vahl
- Piper peltatum L.
- Piper ponapense C.DC.
- Piper porphyrophyllum (Lindl.) N.E.Br.
- Piper pseudolindenii C.DC.
- Piper reticulatum L.
- Piper retrofractum Vahl
- Piper saltuum C.DC.
- Piper sanctum (Miq.) Schltdl.
- Piper sarmentosum Roxb.
- Piper siriboa L.
- Piper umbellatum L.
- Piper wallichii (Miq.) Hand.-Mazz.
- Piper swartzianum (Miq.) C.DC.
Karazana misy eto Madagasikara
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny karazana Piper izay azo antoka fa misy eto Madagasikara:
- Piper borbonense (Miq.) C. DC.
- Piper betle L.
- Piper heimii C. DC.
- Piper longum L.
- Piper madagascariense (Miq.) C. DC.
- Piper malgassicum Papini, Palchetti, M. Gori & Rota Nodari
- Piper methysticum G.Forst.
- Piper nigrum L.
- Piper pachyphyllum Baker
- Piper sylvestre Lour.
- Piper tsarasotrae Papini, Palchetti, M. Gori & Rota Nodari
Indreto kosa ireo izay mbola iadian-kevitra ny fisiany eto Madagasikara:
- Piper guineense Schumach. & Thonn.
- Piper pyrifolium Vahl