Hankany amin'ny vontoatiny

Phyllanthus niruri

Avy amin'i Wikipedia
Ambanivoa na anakatsotsy (Phyllanthus niruri )

Ny Phyllanthus niruri dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Phyllanthaceae. Maniry any amin' ny toerana amorontsiraka amin' ny faritra mafana izy io. Mifandray akaiky amin' ny Euphorbia izy io. Ny anarana amin' ny teny malagasy ahafantarana azy dia ambanivoa sy anakatsotsy.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]
Ravin' ny Phyllanthus niruri

Ahitra kely maniry isan-taona sy manana taho mitsangana ny Phyllanthus niruri, 30 hatramin' ny 60 sm ny haavony. Rehefa tapaka na misy mikiky ny tahony dia mamoaka ranony (lateksa) mangarahara. Misampana haingana ilay zavamaniry, ka manome zana-tahony ipoiran' ny ravina misy fôlikiola (kitapo kely) mifandimby. Mifandimby sy tsotra ary marefo ny raviny izay ahitana zana-pelana fohy.

Vonin' ny Phyllanthus niruri
Voan' ny Phyllanthus niruri ao ambany ravina

Fotsy misy afovoany mavo ary misy ravimbony 5 mipoitra eo am-poto-dravina ny voniny vavy izay kely, manana halava 2 mm. Manana lahimbony miisa 3 tsy misy tangozany ny voniny lahy izay manana halava mirefy 0,5 mm.

Fampiasana

[hanova | hanova ny fango]

Ampiasaina amin' ny fitsaboana ny hepatita B (aretin' aty) indraindray ny Phyllanthus niruri, saingy ny fanadihadiana nataon' ny Cochrane 2011 dia nanatsoaka hevitra fa tsy tohanan' ny angon-drakitra misy io fampiasana ilay zavamaniry io. Ity zavamaniry ity koa dia inoana fa afaka manamontsana ny vatokely miforona izay miteraka manitokitoka ao amin' ny voa na ao amin' ny afero. Miantso azy io hoe "chancapiedra" (ara-bakiteny hoe "mpamaky vato") ny mponina miteny espaniôla any Amazônia noho izany toetrany ara-pitsaboana izany.

Lisitry ny zana-karazana sy ny ovan-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Inty ny lisitry ny zana-karazana araka ny Catalogue of Life (7 Aogositra 2014) sy ny World Checklist of Selected Plant Families (WCSP) (7 Aogositra 2014) :

  • Phyllanthus niruri subsp. lathyroides (Kunth) G.L.Webster (1955)
  • Phyllanthus niruri subsp. niruri

Inty ny lisiry ny zana-karazana sy ny ovan-karazana araka ny Tropicos (7 Aogositra 2014) (Fampitandremana: Ity dia lisitra tsy izay mety misy teny mitovy hevitra):

  • Phyllanthus niruri subsp. lathyroides (Kunth) G.L. Webster
  • Phyllanthus niruri subsp. niruri
  • Phyllanthus niruri var. amarus (Schumach. & Thonn.) Leandri
  • Phyllanthus niruri var. baronianus (Leandri) Leandri
  • Phyllanthus niruri var. debilis Müll. Arg.
  • Phyllanthus niruri var. genuinus Beille
  • Phyllanthus niruri var. javanicus Müll. Arg.
  • Phyllanthus niruri var. niruri
  • Phyllanthus niruri var. radicans Müll. Arg.
  • Phyllanthus niruri var. scabrellus Müll. Arg.
  • Phyllanthus niruri var. tenuicaulis (Müll. Arg.) Griseb.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]