Phyllanthus amarus

Ny Phyllanthus amarus na Phyllanthus niruri var. amarus dia karazana zavamaniry mamony, ahitra ao amin' ny fianakaviana Phyllanthaceae, hita any amin' ny faritra trôpikaly any Amerika, any India, any Sina, any Srilanka, ary any Azia Atsimo-Atsinanana. Atao hoe anakatsotsy izy io amin' ny teny malagasy.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry kely ny Phyllanthus amarus, ahitra maniry isan-taona, izay manana haavo 30 hatramin' ny 60 sm. Maniry tsara amin' ny tany misy hamandoana sy somary misy alokaloka ny Phyllanthus amarus, ary mahatratra ny fahalehibeazany ao anatin' ny 2 hatramin' ny 3 volana.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Misy andalan-dravina roa ny rantsan' ny Phyllanthus amarus izay madinika. Miendrika salavalava ireo ravina ireo izay mirefy 5 hatramin' ny 10 mm sy mifandimby.
Vony
[hanova | hanova ny fango]
Mirefy 2 mm eo ho eo ny vonin' ny Phyllanthus amarus miendrika kintana.
Voany
[hanova | hanova ny fango]
Madinika ny voan' ny Phyllanthus amarus sady mipetaka manaraka ny andavan' ny rantsany eo ambanin' ny andalan-dravina.
Singa simika ao aminy
[hanova | hanova ny fango]Misy flavônôida (kersetinina-3-0-gliokôsida sy rotinina), taninina (jeraniinina, amariinna ary galôkatesinina), ary alkalôida (filantinina, karazana kinôlizidinina, sekiorininina, nôrsekiorininina, izôbiobialinina ary epibiobialinina) ny Phyllanthus amarus.
Fampiasana
[hanova | hanova ny fango]Ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana amin' ny kolontsaina isan-karazany ny Phyllanthus amarus, anisan' izany fitsaboana ao amin' ny foko amazôniana maro sy ny fitsaboana aiorvedika ary ny fanafodim-bahoaka singaley.