Phoenicopterus roseus
Fiseho

Ny Phoenicopterus roseus dia karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Phoenicopteridae izay miely indrindra sy betsaka indrindra ao amin' io fianakaviana io. Amin' ny teny malagsy izy dia atao hoe sama. Anarana nahafantarana azy teo aloha ny hoe Phoenicopterus antiquarum. Fahita atỳ amin' ny Tontolo Taloha izy io, hita any amin' ny morontsirak' i Afrika Avaratra sy Afrika atsimon' i Sahara, any amin' ny Zana-kôntinanta Indiana (atsimon' ny tangoron-tenndrombohitra Himalaya), any Atsinanana Afovoany, ny Ampiposahana, any amin' ny Hoala Persika, any amin' ny Hoalan' i Aden, any amin' ny Ranomasina Mena, ary any amin'ny firenena mediteraneanan' i Eorôpa Atsimo.