Hankany amin'ny vontoatiny

Philippia

Avy amin'i Wikipedia
Erica herbacea

Ny Philippia dia antokon-javamaniry nekena tany aloha tao amin' ny fianakaviana Ericaceae, izay heverina ho mitovy amin' ny Erica ankehitriny[1]. Hita any amin' ny faritra atsimo ka hatrany amin' ny faritra trôpikalin' i Afrika sy eto Madagasikara ary ao amin' ireo nosy Maskarena ny karazana ao aminy[2]. Antoko any amin' ny faritra atsimo sy atsinanana amin' i Afrika, hita any amin' ny ala sy ny kirihitra an-tendrombohitra, ny Philippia[3]. Fanomezam-boninahitra an' i Rodolfo Amando Philippi na Rudolph Amandus Philippi (1808–1904), izay paleôntôlôga sy zôôlôjista alemàna-siliana, ny anaran' io antoko io[4].

Indreto ny karazana sy zana-karazana malagasy sasany izay nafindra ao amin' ny antoko Erica:

  • Philippia aristata Benth. → Erica bojeri Dorr & E.G.H.Oliv. -- anjavidilahimadinika
  • Philippia caulifloraErica goudotiana (Klotzsch) Dorr & E.G.H.Oliv. --
  • Philippia cauliflora subsp. tenuis H. Perrier → Erica goudotiana (Klotzsch) Dorr & E.G.H.Oliv. -- anjavidilahimadinika
  • Philippia floribunda Benth. → Erica baroniana Dorr & E.G.H.Oliv. --  anjavidilahy, anjavidy, riadriatra
  • Philippia floribunda subsp. orientalis H. Perrier → Erica goudotiana (Klotzsch) Dorr & E.G.H.Oliv. -- anjavily, enjavily
  • Philippia gracilis (Benth.) H. Perrier → Erica rakotozafyana Dorr & E.G.H.Oliv. -- anjavidilahimadinika
  • Philippia latifolia H. Perrier → Erica perrieri Dorr & E.G.H.Oliv. -- anjavidivavy
  • Philippia parkeri Baker → Erica parkeri (Baker) Dorr & E.G.H.Oliv. -- ngitakely

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Philippia Klotzsch | Plants of the World Online | Kew Science". Plants of the World Online. Notsidihina tamin' ny 10 Septambra 2022.
  2. Allaby, Michael (ed.) A Dictionary of Plant Sciences (2 ed.). Oxford University Press, 2006. ISBN 9780198608912
  3. White F. (1978) "The Afromontane Region." In: Werger M.J.A. (eds) Biogeography and Ecology of Southern Africa. Monographiae Biologicae, vol 31. Springer, Dordrecht. doi:10.1007/978-94-009-9951-0_11
  4. Burkhardt, Lotte (2022). Eine Enzyklopädie zu eponymischen Pflanzennamen. Berlin: Botanic Garden and Botanical Museum, Freie Universität Berlin. doi:10.3372/epolist2022. ISBN 978-3-946292-41-8. S2CID 246307410. Retrieved January 27, 2022.