Philip Sclater

I Philip Lutley Sclater dia mpahay lalàna sy mpisolovava ary manampahaizana momba ny biby (zôôlôga) britanika, izay nalaza eran-tany noho ny anjara biriky lehibe nentiny teo amin' ny sehatry ny fandalinana ny vorona (ôrnitôlôjia) sy ny fitsinjarana ara-jeôgrafian' ny biby (biôjeôgrafia). Teraka tamin' ny taona 1829 izy ary maty tamin' ny taona 1913. Tamin' ny taona 1858 dia namaritra faritra lehibe enina momba ny fitsinjarana ara-jeôgrafian' ny biby, izay mifototra amin' ny fitsinjaran-toeran' ny karazam-borona, izy. Io rafi-panasokajiana io no mbola fototry ny fitsinaran-toeran' ny biby eran-tany ampiasaina ankehitriny.
Tamin' ny taona 1859 dia nanangana ny gazetiboky ara-tsiansa atao hoe Ibis izy: io no gazetiboky voalohany indrindra nosoratana manokana ho an' ny fandalinana ny vorona. Nitana ny toerana lehibe maha sekreteran' ny Zoological Society of London (ZSL) azy izy nandritra ny 42 taona, nanomboka tamin' ny taona 1860 ka hatramin' ny 1902.
Tamin' ny taona 1864, mba hanazavany ny fitovian' ny karazam-biby misy eto Madagasikara sy any India, dia nanolotra ny petra-kevitra momba ny fisian' ny kôntinanta novinavinaim-pisiana iray izy, izay nomeny anarana hoe "Lemuria".
Karazam-biby sy vorona mitondrana ny anarany
[hanova | hanova ny fango]Indreto ny anaram-biby sy vorona mitondrana ny anaran' i Sclater:
- Cacicus sclateri
- Casuarius sclateri (izay heverina ho ny Casuarius bennetti ihany).
- Doliornis sclateri
- Enuliophis sclateri
- Eudyptes sclateri
- Lopophorus sclateri
- Myrmotherula sclateri
- Phyllomyias sclateri
- Poecile sclateri
- Psittacula sclateri (izay heverina ho zana-karazan’ ny Forpus modestus).
- Spizocorys sclateri