Hankany amin'ny vontoatiny

Philepitta schlegeli

Avy amin'i Wikipedia
Philepitta schlegeli

Ny Philepitta schlegeli dia karazam-boronkely ao amin' ny fianakaviana Philepittidae, izay tsy fahita raha tsy eto Madagasikara, ao amin' ny laharana Passeriformes. Amin' ny teny malagasy izy io dia atao hoe asity na asaity. Mampahatsiahy ny ôrnitôlôga alemàna Hermann Schlegel (1804-1884), izay namaritra azy io, ny anarany ara-tsiansa.

Miaina any amin' ny faritr' i Sambirano any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Madagasikara io vorona io. Ity karazana ity dia matetika eny amin' ny tampon-kazo sy any ambanin' ny ala maina ary noho izany dia atahorana amin' ny fandripahana ala. Voankazo madinika sy mamimbony no hanin' ity vorona ity.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]