Phaseoleae

Ny Phaseoleae dia fokon-javamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Fabaceae, zana-pianakaviana Faboideae, hita manerana ny faritra manana toetany mafana sy antonony eran' izao tontolo izao, ahitana vondron-karazana 90 eo ho eo ary karazan 1 570 eo ho eo, ka mahatonga azy ho anisan' ny fokon-javamaniry lehibe indrindra ao amin' ny fianakaviana Fabaceae. Ity fokon-javamaniry ity dia mizara ho zana-poko fito: Cajaninae, Diocleinae, Erythrininae, Glycininae, Kennediinae, Ophrestiinae ary Phaseolinae. Tafiditra ao anatin' ity fokon-javamaniry ity ny karazan-javamaniry maro manan-danja amin' ny olombelona: sakafo, fanafody, vilona, haingo, fandokoana, zezika maitso ary zavamaniry fandrakofana tany. Ny karazana fanao sakafo dia ahitana ny vondron-karazana Phaseolus (anisany ny tsaramaso sy ny kabaro), Glycine (anisany ny sôzà), Vigna (anisany ny voanjobory, voanemba), Lablab (anisany ny antaka), Cajanus (anisany ny amberivatry).