Hankany amin'ny vontoatiny

Phacochoerus africanus

Avy amin'i Wikipedia
Phacochoerus africanus sundevalli

Ny Phacochoerus africanus dia karazam-biby mampinono, ao amin' ny fianakaviana Suidae, iray amin' ny karazana Phacochoerus roa. Izy io dia hita manerana ny ampahany be amin' i Afrika atsimon' i Sahara, amin' ny kijana sy ny hivika ary ny ala. Taloha, dia noheverina ho zana-karazan' ny Phacochoerus aethiopicus izy io, fa ankehitriny io anarana siantifika io dia voafetra ho an' ilay any amin' ny faritra avaratra amin' i Kenià sy any Sômalia ary any atsinanana amin' i Etiôpia.

Zana-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny zana-karazan' ny Phacochoerus africanus araka ny Selon Mammal Species of the World (5 Oktôbra 2020) :

  • Phacochoerus africanus aeliani Cretzschmar, 1828
  • Phacochoerus africanus africanus (Gmelin, 1788)
  • Phacochoerus africanus massaicus Lönnberg, 1908
  • Phacochoerus africanus sundevallii Lönnberg, 1908

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]