Petrakevitra momba ny fananan' ny Kasmiry firazanana jiosy

Avy amin'i Wikipedia

Ny petrakevitra momba ny fananan' ny Kasmiry firazanana jiosy dia mametraka fa ny Kasmiry na Kasmiriana na Kasmirita ao India sy Pakistàna dia taranaky ny foko folo very tao Israely.

I Al-Biruni, ilay manampahaizana miozolmana persana tamin' ny taonjato faha-11 no voalohany nanolo-kevitra ny amin' ny petrakevitra momba ny fisian' ny taranak' ireo foko verin' i Israely ao Kasimira. Araka ny filazan' i Al-Biruni, fahiny dia namela mpivahiny iray na roa hiditra ao amin' ny fireneny, indrindra ny Jiosy, ny vahoaka tao Kashmir, nefa amin' izao fotoana izao dia tsy omeny alalana ny Hindo izay tsy fantany manokana, indrindra fa ny olon-kafa[1].

I François Bernier, mpitsabo frantsy tamin' ny taonjato faha-17, sy i Sir Francis Younghusband, izay nizaha ity faritra ity tamin' ny taonjato faha-19, dia niresaka ny amin' ny ny toe-batana mifanahaka eo amin' ny Kasmiriana sy ny Jiosy[2] [3], indrindra ny fihodirany mazava, ny orony somary lava, ny lohany somary mitovitovy [4] [5] [6].

I Baikunth Nath Sharga dia nilaza fa na dia misy aza ny fifanahafana eo amin' ny fiforonan-teny eo amin' ny anaram-pianakaviana kasimirita sy jiosy dia taranaka indô-ariana ny Pandit ao Kashmir, fa ny Jiosy kosa dia taranaka semita[7].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. "Kashmir". Jewish Virtual Library. 2012. Notysidihina talin'ny 28 Oktobra 2012.
  2. "Kashmir". Jewish Virtual Library. 2012. Notsidihina tamn'ny 28 Oktobra 2012.
  3. Quraishi, Humra (2004). Kashmir, The Untold Story. Penguin Books India. p. 37. ISBN 0143030876.
  4. Bhandari, Mohan C. (2006). Solving Kashmir. Lancer Publishers. p. 107. ISBN 8170621259.
  5. Childress, David Hatcher (1991). Lost Cities of China, Central Asia and India (3rd ed.). Adventures Unlimited Press. p. 271. ISBN0932813070.
  6. Bamzai, P. N. K (1994). Culture and Political History of Kashmir. 1. M.D. Publications Pvt. Ltd. p. 16. ISBN 818588031X.
  7. Kaw, M.K (2004). Kashmir and Its People: Studies in the Evolution of Kashmiri Society. APH Publishing. p. 51. ISBN 8176485373.