Fiteny persana taloha

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Persana taloha)
Nosoratana amin' ny soratra miendri-pantsika ny fiteny persana taloha

Ny fiteny persana taloha dia endrika tranainy indrindran' ny fiteny persana. Isan' ireo fiteny iraniana izy ka zana-bondron' ireo fiteny indô-iraniana sy ny ireo fiteny indô-eorôpeana. Hita ao amin' ireo sora-tsokitra tamin' ny andron' ireo mpanjaka akemenida ny fiteny persana taloha. Ny fiteny persana amin' izao fotoana izao dia tsy avy mivantana amin' ny fiteny persana taloha. Io no fitenim-paritra notenenin' ny olona tao Persepoly izay nasandratry ny mpanjaka Dariosy I ho fiteny filamatra.