Hankany amin'ny vontoatiny

Perrierophytum

Avy amin'i Wikipedia

Ny Perrierophytum dia antokon-javamaniry mamony ao anatin' ny fianakaviana Malvaceae. Teratany ao Môzambika sy eto Madagasikara ny karazana ao aminy. Nomena io anarana io ho fanomezam-boninahitra an' i Joseph Marie Henry Alfred Perrier de la Bâthie (1873–1958), mpahay zavamaniry frantsay izay nanokana ny asany tamin' ny fandalinana ny zavamaniry eto Madagasikara. Nofaritana sy navoaka voalohany tao amin' ny Annuaire Conserv. Jard. Bot. Geneva (boky faha-18-19, pejy faha-229) tamin' ny taona 1915 izy io.

Araka ny Kew Garden ao amin' ny Plants of the World Online, dia ireto ny karazana ao amin' ny antoko Perrierophytum[1]:

  • Perrierophytum glomeratum Hochr.
  • Perrierophytum hispidum (Hochr.) Hochr.
  • Perrierophytum humbertianthus Hochr.
  • Perrierophytum humbertii Hochr.
  • Perrierophytum luteum Hochr.
  • Perrierophytum macranthum (Hochr.) M.M.Hanes & Callm.
  • Perrierophytum madagascariense (Baker) M.M.Hanes & Callm.
  • Perrierophytum malvocoeruleum (Hochr.) M.M.Hanes & Callm. -- hafotra
  • Perrierophytum paniculatum Hochr.
  • Perrierophytum reflexiflorum (Hochr.) M.M.Hanes & Callm.
  • Perrierophytum rubrum Hochr.
  • Perrierophytum thouarsianum (Baill.) M.M.Hanes & Callm. -- lahiriky
  • Perrierophytum velutinum (Garcke) M.M.Hanes & Callm. -- kotosay, trongafotsy
  • Perrierophytum viridiflorum Hochr.
  • Perrierophytum viscosum Hochr.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
  1. "Perrierophytum Hochr.", powo.science.kew.org (notsidihina tamin' ny 09/07/2026)