Hankany amin'ny vontoatiny

Penisilinina

Avy amin'i Wikipedia
Firafitra ankapoben' ny penisilinina

Ny penisilinina dia antibiôtika beta-laltaminina, tôksinina (poizina) volavolain' ny karazana bobongolo (holatra bitika) sasany ao amin' ny vondron-karazana Penicillium ary tsy mampidi-doza ho an' ny olombelona. Ampiasaina hitsaboana aretina vokatry ny bakteria ny penisilinina, indrindra ny bakteria Gram-miabo (Gram positif). Ny penisilinina (penisilinina G) dia hitan' ilay mpahay siansa britanika Alexander Fleming indray tamin' ny 3 Septambra 1928. Ampiasaina amin' ny fitsaboana olombelona izy io nanomboka tamin' ny taona 1941.