Aller au contenu

Pedaliaceae

Avy amin'i Wikipedia
Uncarina roeoesliana
Sesamum indicuml

Ny Pedaliaceae dia fianakavian-javamaniry mamony, ao amin' ny filaharana Lamiales. Ity fianakaviana ity dia ahitana ny voamaho na atsingeny (Sesamum indicum).

Izy io dia ahitana vondron-karazana 13 sy karazana 70 eo ho eo. Vondron-karazana valo no teratany aty Afrika ary ny vondron-karazana iray, ny farehitra (Uncarina), dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara. Ny vondron-efatra (Sesamum, Josephinia, Pedalium ary Dicerocaryum) dia teratany ao Afrika indrindra nefa misy faritra any atsinanana ihany koa (anisan' izany i Madagasikara, India, Srilanka, ny Vondro-nosy Maley ary ny fariyta avaratra amin' i Aostralia).

Rogeria longiflora

Ity fianakaviana ity dia manana fomba samihafa fiparitahan' ny vihy sy ny voa izay miovava arakaraka ny karazana. Anisan' izany; fanaparitahana ny voa na ny vihy misy toa volon-tsora entin' ny tongotry ny biby (ao amin' ny Dicerocaryum, ny Harpagophytum ary ny Josephinia) na entin ny volon' ny biby mandalo (Uncarina), ny voa manana elatra entin' ny rivotra (Holubia sy Pterodiscus), na ny fiparitahan' ny vihy misy elatra aza (Sesamothamnus sy Sesamum) na amin' ny alalan' ny fitsipazana amin' ny rivotra (Ceratotheca sy Rogeria). Ny fitsipazana amin' ny rivotra dia miseho rehefa misokatra eo an-tampony ny voa nefa mijanona eo amin' ilay zavamaniry, avy eo rehefa mihetsika mahery ny taho, dia lasa tsikelikely ny vihy.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]