Pavo muticus

Ny Pavo muticus dia karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Phasianidae, ao amin' ny filaharana Galliformes, miaina any amin' ny ala trôpikaly any Azia Atsimo-Atsinanana sy amin' ny tapany atsimo amin' i Sina. Anisan' ny vorombola izy io ary azo antsoina amin' ny teny malagasy hoe vorombola maitso izy io. Izy io no vorom-pirenen' i Mianmara. Fahita manerana an' i Azia Atsimo-Atsinanana ity karazana ity teo aloha fa vorona vitsy mitoka-monina no hany velona any Kambôja sy any amin' ny faritra vitsy mifanila amin' i Vietnamy.
Voasokajy ho tandindonin-doza ao amin' ny Lisitra Menan' i IUCN izy io nanomboka tamin' ny taona 2009. Ny fandripahana ala sy ny fambolena ary ny fahasimban' ny toeram-ponenana sahaza azy no tena mahatonga izany, izay nampizarazara be ihany ny toerana misy azy ireo sy nampihena ny isany amin' ny ankapobeny. Be mpitady hompiana any amin' ny toeram-piompiana tsy miankina manokana ny vorombola maitso ary atahorana ho lany tamingana noho ny fivarotana biby fanao namana, noho ny fanangonana volom-borona, ny fitadiavana azy ireo hatao hena ary ny ffanaovana azy ireo lasibatra amin' ny fihazana.