Pavo cristatus

Ny Pavo cristatus dia karazam-borona ao amin' ny fianakaviana Phasianidae, ao amin' ny filaharana Galliformes, hita betsaka sy avy any amin' ny Zana-Kôntinenta Indiana. Vorombola manga ny anarany amin' ny teny malagasy. Ity karazam-borona ity dia teratany any amin' ny alan' i Azia, indrindra any India, any Pakistana, any Bangladesy, ary any Srilanka. Efa nampidirina any amin' ny firenena maro hafa izy io hatramin' ny Andro Taloha. Tahaka ny ankamaroan' ny karazana ao amin' ny Phasianidaes dia mampiseho tsy fitoviana lehibe eo amin' ny lahy sy ny vavy ny vorombola manga, ary ovan-karazana miloko maromaro no novolavolain' ny olombelona, ankoatra ny miloko manga tany am-boalohany.

Ampiasaina indrindra ho haingo any amin' ny valan-javaboary lehibe na hatao fihinana ny vorombola manga, ary ampiasaina haandravahana satroka sy fehezam-boninkazo ny volony. Ao amin' ny kolontsaina samihafa dia marika ara-pivavahana izy io ary lohahevitra miverimberina eo amin' ny zavakanto. Ankalazaina amin' ny fedrà hindo sy grika ity vorona ity sady vorom-pirenen' i India.