Patriarka (ao amin' ny Baiboly)

Ny patriarka, amin' ny hevitra terin' io teny io, dia ny lehilahy telo voalohany mpanorina ny firenena jiosy izay resahina ao amin' ny Bokin' ny Jenezy (na Genesisy) aloha, dia i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, manampy azy ireo matetika i Jôsefa. Voamariky ny firenireny tany amin' ny faritr' i Negeva sy Sekema ny fiainan' izy ireo. Ny mameno ny tany amin' ny taranany no anjara asan' izy ireo voalohany. Izy ireo dia ao amin' ny fianakaviana iray izay nanaovan' Andriamanitra fanekena (amin' ny alalan' ny famorana) mba hamoronana firenena lehibe iray, dia ny Hebreo.
Amin' ny heviny mivelatra dia atao hoe "patriarka" koa dia manondro ny olona rehetra voalaza ao amin' ny Baiboly hatramin' i Adama, niaina talohan' ny Safodrano. Antsoina hoe "Patriarika talohan' ny Safodrano" izy ireo. Tsy hita ao amin' ny Baiboly io teny hoe "patriarika” io. Avy amin' ny teny latinina hoe patriarcha izy io, izay noraisina tao amin' ny Tontolo Kristiana ary avy amin' ny teny grika hoe πατριάρχης / patriarkhês, izay midika hoe "loham-pianakaviana". Ny fampiasana azy dia nisy fiantraikany tamin' ny fandikana ny Torah ao amin' ny Baiboly kristiana.
Ny Patriarka hatramin' i Abrahama ka hatramin' i Jakôba
[hanova | hanova ny fango]Abrahama
[hanova | hanova ny fango]
I Abrahama dia ilay lehilahy heverina fa nipoiran' ny fivavahana telo mino Andriamanitra tokana (mônôteista), dia ny jodaisma sy ny kristianisma ary ny silamo. Araka ny Baiboly, noho ny haben' ny finoany no nilazan' Andriamanitra aminy fa izy dia hanan-taranaka maro sady nampanantenainy tany mahavokatra ho an' ireo taranany ireo, dia ny tany Kanaana. Taranak' i Sema zanak' i Nôa (na Nôe) izy. I Tera no anaran-drainy ary i Ismaela sy i Isaaka, izay niteraka an' i Esao sy i Jakôba, sy ny hafa koa no zananilahy. Izy no razamben' ny Ismaelita (taranak' i Ismaela) sy ny Edômita (taranak' i Esao) ary ny Israelita (taranak' i Jakôba). Samy miresaka ny momba azy na ny Baiboly na ny Kor'any na ny boky masina hafan' ny fivavahana abrahamika. Nanambady an' i Saraha sy i Ketora izy sady niteraka amin' i Hagara, araka ny Baiboly. Izy no olona resahina be indrindra ao amin' ny Bokin' ny Genesisy.
Isaaka
[hanova | hanova ny fango]I Isaaka dia zanak' i Abrahama sy i Saraha sady rahalahy tsy iray reny aminy i Ismaela. Niteraka kambana izy, dia i Esao sy i Jakôba. Niampita taminy ny tsodrano Abrahama sy ny fampanantenan'Andriamanitra ny tany Kanaana ho an' ny taranany izy; nampitainy tamin' ny iray amin' i Jakôba izay nahazo izany am-pitaka izany tsodrano izany.
Tsy dia misongadina loatra i Isaaka raha mitaha amin’ i Abrahama sy i Jakôba. Ny fitantarana mahakasika azy dia mifamatotra amin' ireo lava-drano fantsakana sy ny fitoerana masina hita nanodidina an’ i Gerara sy i Beerseba ao amin’ ny faritra atsimon’ i Palestina (Gen. 26). Ny fahatsiarovana an’ i Isaaka dia mifamatotra amin’ ny fitantarana malaza sy mampihetsi-po momba ilay fanaovan-tsorona azy, izay mahakasika an’ i Abrahama nozahan’ Andriamanitra toetra aloha (Gen. 22).
Jakôba
[hanova | hanova ny fango]
I Jakôba dia zanak' i Isaka kambana tamin' i Esao. Nantsoina amin' ny anarana hoe Israely i Jakôba taorian' ny fitolomany tamin' ny anjelin' Andriamanitra, araka ny Baiboly, ka ny taranany no atao hoe Zanak' i Israely. Nanambady efatra izy ka niteraka an' ireo zanilahy nipoiran' ny foko roa ambin' ny folo.
Jôsefa
[hanova | hanova ny fango]
I Jôsefa dia iray amin' ireo zanak' i Jakôba roa ambin' ny folo. I Benjamina no rahalahy iray reny aminy. Namidin' ireo rahalahiny nialona azy izy nefa lasa manampahefana tany Egipta taty aoriana. Nantsoiny honina any Egipta ny fianakaviany tamin' ny fotoana nahamosarena ny tany manontolo. Taorian' ny nahafatesany sy ilay Farao natoky azy no nanombohan' ny fanandevozan' ny Egiptiana ny Zanak' i Isaraely.