Hankany amin'ny vontoatiny

Passifloraceae

Avy amin'i Wikipedia
Passiflora edulis

Ny Passifloraceae dia fianakavian-javamaniry mamony, ao amin' ny filaharana Violales teo aloha na Malpighiales taty aoriana, misy karazana 750 eo ho eo voatsinjara ao anatin' ny vondron-karazana 16 ka hatramin' ny 30, arakaraka ny fanasokajiana. Amin' izy ireo dia misy ny hazo, ny hazobotry sy kirihitra, ny vahy ary zavamaniry mianika. Hita amin' ny faritra mafana ny ankamaroany. Ity fianakaviana ity dia nomena anarana avy amin' ny vondron-karazana Passiflora (garanadelina) izay ahitana ny Passiflora edulis izay hanim-boa, ary koa ny zavamaniry an-jaridaina isan-karazany.

Passiflora caerulea

Ny fanasokajiana klasikan' i Cronquist teo aloha dia nametraka ity fianakaviana ity tao amin' ny filaharana Violales, saingy ny fanasokajiana môderina kokoa toy ny an' ny Angiosperm Phylogeny Group, dia nampiditra azy ao amin' ny Malpighiales ary nitarina ilay fianakaviana mba hampidirana ny Malesherbiaceae (vondron-karazana Malesherbia) sy Turneraceae (vondron-karazana Adenoa, Erblichia, Hyalocalyx, Loewia, Mathurina, Piriqueta, Stapfiella, Streptopetalum, Tricliceras ary Turnera) taloha izay lasa zana-pianakaviana Malesherbioideae sy Turneroideae.

Vondron-karazana

[hanova | hanova ny fango]

Indreto ny vondron-karazana ao amin' ny Passifloraceae:

  • Adenia Forssk.
  • Adenoa Arbo
  • Afroqueta Thulin & Razafim
  • Ancistrothyrsus Harms
  • Androsiphonia Stapf
  • Arboa Thulin & Razafim
  • Barteria Hook.f. (tafiditra ao ny Smeathmannia Sol. ex R.Br.)
  • Basananthe Peyr.
  • Crossostemma Planch. ex Benth.
  • Deidamia Noronha ex Thouars
  • Dilkea Mast.
  • Efulensia C.H.Wright
  • Erblichia Seem.
  • Hyalocalyx Rolfe
  • Jongkindia Breteler & F.T.Bakker
  • Loewia Urb.
  • Mathurina Balf.f.
  • Mitostemma Mast.
  • Oxossia L. Rocha
  • Paropsia Noronha ex Thouars
  • Paropsiopsis Engl.
  • Passiflora L.
  • Piriqueta Aubl.
  • Schlechterina Harms
  • Stapfiella Gilg
  • Streptopetalum Hochst.
  • Tricliceras Thonn. ex DC.
  • Turnera L.
  • Viridivia J.H.Hemsl. & Verdc.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]